사사기 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사사기 (Judges) · 31절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary ny firenena navelan’ i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana, | Now these are the nations which the Lord left, to prove Israel by them, even as many of Israel as had not known all the wars of Canaan; |
| 2 | mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak’ Isiraely izany amin’ ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha; | Only that the generations of the children of Israel might know, to teach them war, at the least such as before knew nothing thereof; |
| 3 | dia ireo andriana dimy tamin’ ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin’ i Bala-hermona ka hatramin’ ny lalana mankany Hamata. | Namely, five lords of the Philistines, and all the Canaanites, and the Sidonians, and the Hivites that dwelt in mount Lebanon, from mount Baal–hermon unto the entering in of Hamath. |
| 4 | Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin’ i Jehovah, izay nasainy nandidian’ i Mosesy ny razany, izy, na tsia. | And they were to prove Israel by them, to know whether they would hearken unto the commandments of the Lord, which he commanded their fathers by the hand of Moses. |
| 5 | Ary ny Zanak’ Isiraely nonina teo amin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. | And the children of Israel dwelt among the Canaanites, Hittites, and Amorites, and Perizzites, and Hivites, and Jebusites: |
| 6 | Ary naka ny zanakavavin’ ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin’ ny zanakalahin’ ireny ka nanompo ny andriamaniny. | And they took their daughters to be their wives, and gave their daughters to their sons, and served their gods. |
| 7 | Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha. | And the children of Israel did evil in the sight of the Lord, and forgat the Lord their God, and served Baalim and the groves. |
| 8 | Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an’ i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’ Isiraely. | Therefore the anger of the Lord was hot against Israel, and he sold them into the hand of Chushan–rishathaim king of Mesopotamia: and the children of Israel served Chushan–rishathaim eight years. |
| 9 | Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an’ ny Zanak’ Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin’ i Kenaza, zandrin’ i Kaleba. | And when the children of Israel cried unto the Lord, the Lord raised up a deliverer to the children of Israel, who delivered them, even Othniel the son of Kenaz, Caleb’s younger brother. |
| 10 | Ary ny Fanahin’ i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an’ i Kosan-risataima. | And the Spirit of the Lord came upon him, and he judged Israel, and went out to war: and the Lord delivered Chushan–rishathaim king of Mesopotamia into his hand; and his hand prevailed against Chushan–rishathaim. |
| 11 | Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak’ i Kenaza. | And the land had rest forty years. And Othniel the son of Kenaz died. |
| 12 | Fa nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ny zanak’ Isiraely ary i Jehovah nampahery an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, hiady amin’ ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy. | And the children of Israel did evil again in the sight of the Lord: and the Lord strengthened Eglon the king of Moab against Israel, because they had done evil in the sight of the Lord. |
| 13 | Dia nampiangona ny taranak’ i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia. | And he gathered unto him the children of Ammon and Amalek, and went and smote Israel, and possessed the city of palm trees. |
| 14 | Dia nanompo an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, valo ambin’ ny folo taona ny Zanak’ Isiraely. | So the children of Israel served Eglon the king of Moab eighteen years. |
| 15 | Ary nitaraina tamin’ i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak’ i Gera, avy amin’ ny taranak’ i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, ny Zanak’ Isiraely. | But when the children of Israel cried unto the Lord, the Lord raised them up a deliverer, Ehud the son of Gera, a Benjamite, a man lefthanded: and by him the children of Israel sent a present unto Eglon the king of Moab. |
| 16 | Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin’ ny fehin-kibony ambanin’ ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana. | But Ehud made him a dagger which had two edges, of a cubit length; and he did gird it under his raiment upon his right thigh. |
| 17 | Dia nitondra ny fanomezana ho an’ i Eglona, mpanjakan’ i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona. | And he brought the present unto Eglon king of Moab: and Eglon was a very fat man. |
| 18 | Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany. | And when he had made an end to offer the present, he sent away the people that bare the present. |
| 19 | Fa nony tonga teo amin’ ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy. | But he himself turned again from the quarries that were by Gilgal, and said, I have a secret errand unto thee, O king: who said, Keep silence. And all that stood by him went out from him. |
| 20 | Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin’ Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianana Eglona. | And Ehud came unto him; and he was sitting in a summer parlour, which he had for himself alone. And Ehud said, I have a message from God unto thee. And he arose out of his seat. |
| 21 | Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin’ ny kibon’ i Eglona izany; | And Ehud put forth his left hand, and took the dagger from his right thigh, and thrust it into his belly: |
| 22 | ary difotra mbamin’ ny zarany, ka voasaron’ ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin’ ny kibony izy; ary niboroaka teo amin’ ny vodiny izany. | And the haft also went in after the blade; and the fat closed upon the blade, so that he could not draw the dagger out of his belly; and the dirt came out. |
| 23 | Dia nivoaka teo amin’ ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran’ ny trano ka nanidy azy tao. | Then Ehud went forth through the porch, and shut the doors of the parlour upon him, and locked them. |
| 24 | Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon’ i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran’ ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha. | When he was gone out, his servants came; and when they saw that, behold, the doors of the parlour were locked, they said, Surely he covereth his feet in his summer chamber. |
| 25 | Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran’ ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin’ ny rihana ny tompony | And they tarried till they were ashamed: and, behold, he opened not the doors of the parlour; therefore they took a key, and opened them: and, behold, their lord was fallen down dead on the earth. |
| 26 | Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seïrata. | And Ehud escaped while they tarried, and passed beyond the quarries, and escaped unto Seirath. |
| 27 | Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ ny tany havoana ny Zanak’ Isiraely, ary izy no nitarika azy. | And it came to pass, when he was come, that he blew a trumpet in the mountain of Ephraim, and the children of Israel went down with him from the mount, and he before them. |
| 28 | Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza. | And he said unto them, Follow after me: for the Lord hath delivered your enemies the Moabites into your hand. And they went down after him, and took the fords of Jordan toward Moab, and suffered not a man to pass over. |
| 29 | Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin’ izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza. | And they slew of Moab at that time about ten thousand men, all lusty, and all men of valour; and there escaped not a man. |
| 30 | Dia resin’ ny tanan’ ny Isiraely ny Moabita tamin’ izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany. | So Moab was subdued that day under the hand of Israel. And the land had rest fourscore years. |
| 31 | Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak’ i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin’ ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy. | And after him was Shamgar the son of Anath, which slew of the Philistines six hundred men with an ox goad: and he also delivered Israel. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL