사사기 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사사기 (Judges) · 23절
- 1 Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin’ ny tany izay nianianako tamin’ ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
- 2 koa aza manao fanekena amin’ ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
- 3 Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin’ ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
- 4 Ary nony niteny izany teny izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely rehetra Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
- 5 Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.
- 6 Ary rehefa nampodin’ i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin’ ny lovany avy ny Zanak’ Isiraely rehetra handova ny tany.
- 7 Ary nanompo an’ i Jehovah ny vahoaka tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Josoa sy tamin’ ny andro rehetra niainan’ ny loholona izay velona taorian’ i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely.
- 8 Ary maty Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
- 9 Dia nalevina tao anatin’ ny fari-tanin’ ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
- 10 Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin’ ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an’ i Jehovah na ny asa efa nataony ho an’ ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy.
- 11 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, fa nanompo ireo Bala
- 12 ka nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin’ ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
- 13 Eny, nahafoy an’ i Jehovah izy ka nanampo an’ i Bala sy Astarta.
- 14 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ ny fahavalony intsony.
- 15 Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan’ i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.
- 16 Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin’ ny tànan’ ireo namabo azy.
- 17 Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin’ ny lalana izay nandehanan’ ny razany nanaraka ny didin’ i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.
- 18 Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin’ ny tanan’ ny fahavalony tamin’ ny andro rehetra niainan’ izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin’ ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.
- 19 Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon’ ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tàmin’ ny fanaony na tamin’ ny lalana nanaovany ditra izy.
- 20 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
- 21 dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin’ ny firenena izay tsy mbola resy hatramin’ ny andro nahafatesan’ i Josoa,
- 22 mba hizahako toetra ny Isiraely amin’ ireny, na hitandrina ny lalan’ i Jehovah ka handeha amin’ izany araka izay nitandreman’ ny razany izany izy, na tsia.
- 23 Dia navelan’ i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan’ i Josoa ireny.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗