사사기 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사사기 (Judges) · 40절
- 1 Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.
- 2 Ary ny vadin’ i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an’ i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin’ ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa.
- 3 Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin’ ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin’ i Jefta ka niaraka taminy.
- 4 Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak’ Isiraely ny taranak’ i Amona.
- 5 Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak’ i Amona, dia nandeha ny loholon’ i Gileada haka an’ i Jefta hiala any amin’ ny tany Toba.
- 6 Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin’ ny taranak’ i Amona.
- 7 Fa hoy Jefta tamin’ ny loholon’ i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon’ ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?
- 8 Dia hoy ny loholon’ i Gileada tamin’ i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin’ ny taranak’ i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.
- 9 Dia hoy Jefta tamin’ ny loholon’ i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin’ ny taranak’ i Amona, ka hatolotr’ i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo?
- 10 Dia hoy ny loholon’ i Gileada tamin’ i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.
- 11 Dia nandeha Jefta niaraka tamin’ ny loholon’ i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan’ i Jehovah tao Mizpa.
- 12 Dia naniraka olona Jefta nankamin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no tonga atỳ amiko hiady amin’ ny taniko ianao?
- 13 Dia hoy ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona tamin’ ny irak’ i Jefta: Satria nalain’ ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin’ ny fihavanana ary izany ankehitriny.
- 14 Ary Jefta naniraka olona indray nankany amin’ ny mpanakan’ ny taranak’ i Amona
- 15 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin’ i Moaba na ny tanin’ ny taranak’ i Amona.
- 16 Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin’ ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy.
- 17 Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin’ ny mpanjakan’ i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan’ i Edoma. Ary naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.
- 18 Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan’ i Moaba, ka nitoby teo an-dafin’ i Arnona, fa tsy niditra teo anatin’ ny faritanin’ i Moaba; fa Arnona no fari-tanin’ i Moaba.
- 19 Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany amin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay mpanjakan’ i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin’ ny fonenanay.
- 20 Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin’ ny Isiraely.
- 21 Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an’ i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tànan’ ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon’ ny Isiraely ny tanin’ ny Amorita rehetra, mponina tany amin’ izany tany izany.
- 22 Dia nahazo ny tanin’ ny Amorita rehetra izy hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary hatramin’ ny efitra ka hatrany Jordana.
- 23 Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?
- 24 Moa tsy hotananao izay tany omen’ i Kemosy andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany rehetra omen’ i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.
- 25 Moa tsara noho Balaka, zanak’ i Zipora, mpanjakan’ i Moaba, va ianao? Nety nanohitra ny Isiraely na niady taminy akory va izy?
- 26 Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin’ ny tanàna rehetra eny amoron’ i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’ izany andro izany?
- 27 Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko;
- 28 Nefa tsy nohenoin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona ny tenin’ i Jefta, izay nampitondrainy tany aminy.
- 29 Ary tonga tao amin’ i Jefta ny Fanahin’ i Jehovah, dia nandeha nitety an’ i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an’ i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin’ ny taranak’ i Amona.
- 30 Ary Jefta nivoady tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak’ i Amona,
- 31 dia ho an’ i Jehovah Izay mivoaka amin’ ny varavaran’ ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ ny taranak’ i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany.
- 32 Dia nandeha Jefta nankany amin’ ny taranak’ i Amona hiady aminy: ary natolotr’ i Jehovah teo an-tànany ireo.
- 33 Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin’ i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ny taranak’ i Amona.
- 34 Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
- 35 Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin’ i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.
- 36 Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin’ i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak’ i Amona fahavalonao ho anao.
- 37 Dia hoy koa izy tamin’ ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin’ ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin’ ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanambady akory.
- 38 Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin’ ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory.
- 39 Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin’ ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin’ ny Isiraely
- 40 ny fandehanan’ ny zazavavin’ ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin’ i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗