사사기 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사사기 (Judges) · 15절
- 1 Ary nivory ny lehilahy amin’ ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin’ i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ ny taranak’ i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ ny afo ny tranonao sy ianao.
- 2 Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin’ ny taranak’ i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin’ ny tànany ianareo.
- 3 Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin’ ny taranak’ i Amona, ary natolotr’ i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko?
- 4 Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin’ ny Gileada ka niady tamin’ ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin’ ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin’ ny Efraima ao amin’ ny taranak’ i Efraima sy Manase.
- 5 Dia novonjen’ ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin’ ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin’ ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin’ ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,
- 6 dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin’ ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’ izany andro izany.
- 7 Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin’ ny tanana anankiray any Gileada.
- 8 Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an’ i Jefta.
- 9 Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an’ ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.
- 10 Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.
- 11 Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.
- 12 Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin’ ny tanin’ ny Zebolona.
- 13 Ary Abdona, zanak’ i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.
- 14 Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.
- 15 Dia maty Abdona, zanak’ i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin’ ny tanin’ ny Efraima any amin’ ny tany havoan’ ny Amalekita.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗