사사기 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사사기 (Judges) · 18절
- 1 Ary taorian’ i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak’ i Dodo, lehilahy avy tamin’ ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin’ ny tany havoan’ i Efraima izy.
- 2 Ary nitsara ny Isiraely telo amby roa-polo taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.
- 3 Ary nitsangana nandimby azy Jaïra Gileadita ka nitsara ny Isiraely roa amby roa-polo taona.
- 4 Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin’ ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra mandraka androany ireo.
- 5 Dia maty Jaïra ka nalevina tany Kamona.
- 6 Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr’ i Syria sy ny andriamanitr’ i Sidona sy ny andriamanitr’ i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak’ i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an’ i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.
- 7 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ ny Filistina sy ho eo an-tànan’ ny taranak’ i Amona Izy.
- 8 Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak’ Isiraely ireo tamin’ izany taona izany: valo ambin’ ny folo taona no nampahoriany ny Zanak’ Isiraely rehetra, izay tany an-dafin’ i Jordana, tany amin’ ny tanin’ ny Amorita any Gileada.
- 9 Ary nita an’ i Jordana ny taranak’ i Amona mba hiady koa amin’ ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak’ i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely.
- 10 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an’ Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.
- 11 Ary hoy Jehovah tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak’ i Amona ary ny Filistina va Aho?
- 12 Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin’ ny tànany.
- 13 Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.
- 14 Mandehana, ka mitaraina amin’ ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin’ ny andron’ ny fahantranareo.
- 15 Ary hoy ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.
- 16 Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an’ i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran’ ny Isiraely.
- 17 Dia nivory ny taranak’ i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak’ Isiraely ka nitoby tany Mizpa.
- 18 Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan’ i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin’ ny taranak’ i Amona? dia ho lohany amin’ ny mponina rehetra any Gileada izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗