사무엘하 22장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 51절
- 1 Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an’ i Jehovah tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tànan’ i Saoly,
- 2 ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,
- 3 Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin’ ny fampahoriana Hianao.
- 4 Miantso an’ i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko.
- 5 Fa nihodidina tamiko ny onjan’ ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
- 6 Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.
- 7 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
- 8 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan’ ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
- 9 Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
- 10 Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin’ ny tongony.
- 11 Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin’ ny ela-drivotra Izy.
- 12 Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina
- 13 Ary avy teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.
- 14 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.
- 15 Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.
- 16 Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin’ ny tany, noho ny teny mafy nataon’ i Jehovah, noho ny fifofofofon’ ny fofonain’ ny vavorony.
- 17 Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ ny rano be Izy.
- 18 Namonjy ahy tamin’ ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’ izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.
- 19 Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
- 20 Dia nitondra ahy ho any amin’ ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
- 21 Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy.
- 22 Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro;
- 23 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;
- 24 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ ny fahotako;
- 25 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.
- 26 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
- 27 Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.
- 28 Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.
- 29 Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.
- 30 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
- 31 Raha ny amin’ Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin’ i Jehovah dia voazaha toetra amin’ ny memy; Jehovah no ampingan’ izay rehetra mialoka aminy.
- 32 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
- 33 Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin’ ny lalany Izy.
- 34 Ary manao ny tongony ho tahaka ny an’ ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin’ ny fitoerako avo Izy.
- 35 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
- 36 Omenao ahy ny ampingan’ ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
- 37 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
- 38 Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany.
- 39 Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin’ ny tongotro izy.
- 40 Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
- 41 Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy.
- 42 Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an’ i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy.
- 43 Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.
- 44 Mamonjy ahy amin’ ny fifanoheran’ ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan’ ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
- 45 Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.
- 46 Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy.
- 47 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,
- 48 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,
- 49 Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin’ ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin’ izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin’ ny olon-dozabe;
- 50 Koa Izany no hiderako Anao eny amin’ ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
- 51 Manao famonjen-dehibe ho an’ ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin’ ny voahosony, dia amin’ i Davida sy ny taranany mandrakizay.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗