사무엘하 21장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 22절
- 1 Ary nisy mosary telo taona misesy tamin’ ny andron’ i Davida, ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin’ ny taranak’ i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.
- 2 Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan’ ny Zanak’ Isiraely, fa sisa tamin’ ny Amorita, ary ny Zanak’ Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin’ ny firehetan’ ny fitiavany ny Zanak’ Isiraely sy ny Joda),
- 3 ary hoy Davida tamin’ ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin’ inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan’ i Jehovah?
- 4 Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin’ i Saoly na amin’ ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin’ ny Isiraely Ary hoy izy: Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo?
- 5 Dia hoy izy ireo tamin’ ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra
- 6 no avelao hisy fito lahy amin’ ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an’ i Jehovah ao Gibean’ i Saoly, ilay voafidin’ i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy.
- 7 Fa ny mpanjaka niaro an’ i Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, noho ny fianianana tamin’ i Jehovah nataon’ i Davida sy Jonatana, zanak’ i Saoly.
- 8 Ary ny mpanjaka naka azy roa lahy, zanak’ i Rizpa, zanakavavin’ i Aia, izay naterany tamin’ i Saoly, dia Armony sy Mefiboseta, ary ny dimy lahy zanak’ i Mikala, zanakavavin’ i Saoly, izay naterany tamin’ i Adriela, zanak’ i Barzilay Meholatita,
- 9 dia natolony teo an-tànan’ ny Gibeonita ireo ka nahanton’ ireo teo amin’ ny havoana teo anatrehan’ i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin’ ny niandohan’ ny fararano tamin’ ny voalohan’ ny taom-pijinjana ny vary hordea izy.
- 10 Ary Rizpa, zanakavavin’ i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin’ ny vatolampy iny hitoerany hatramin’ ny niandohan’ ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ ny faty, ka tsy navelany hipetrahan’ ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina.
- 11 Ary nambara tamin’ i Davida izay nataon’ i Rizpa, zanakavavin’ i Aia, vaditsindranon’ i Saoly.
- 12 Dia lasa Davida naka ny taolan’ i Saoly sy ny taolan’ i Jonatana zanany tany amin’ ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan’ ny Filistina azy tamin’ ny andro namonoan’ ny Filistina an’ i Saoly tao Gilboa.
- 13 Ary dia nentiny niakatra avy tany ny taolan’ i Saoly sy ny taolan’ i Jonatana zanany, ary nangoniny koa ny taolan’ ireo voahantona ireo.
- 14 Ary ny taolan’ i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin’ ny olona tao amin’ ny tanin’ ny Benjamina tao Zela, tao amin’ ny fasan’ i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian’ ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken’ Andriamanitra ny fifonana natao ho an’ ny tany.
- 15 Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin’ ny Filistina, ary reraka Davida.
- 16 Ary Jisbibenoba, izay isan’ ny taranaky ny Refaïta (ny lanjan’ ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an’ i Davida.
- 17 Fa Abisay, zanak’ i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin’ izay ny olon’ i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin’ ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan’ ny Isiraely.
- 18 Ary nony afaka izany, dia nisy ady indray amin’ ny Filistina teo Goba, ary Sibeka Hosatita nahafaty an’ i Safa, izay isan’ ny taranaky ny Refaïta.
- 19 Ary nisy ady indray koa tamin’ ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak’ i Jare-oregima Betlehemita, namono an’ i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona.
- 20 Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan’ ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refaïta.
- 21 Ary izy nihaika ny Isiraely, ka matin’ i Jonatana, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida.
- 22 Ireo efatra ireo no teraky ny Refaïta teo Gata, ka matin’ ny tànan’ i Davida sy ny tanan’ ny mpanompony avokoa ireo.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗