사무엘하 23장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 39절
- 1 Ary izao no fara-teny nataon’ i Davida: hoy Davida, zanak’ i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr’ i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin’ ny Isiraely:
- 2 Ny Fanahin’ i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ ny lelako;
- 3 Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin’ ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra;
- 4 Ary izany dia toy ny fahazavan’ ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin’ ny tany noho ny hain’ andro manarakaraka ny ranonorana.
- 5 Ary tsy toy izany indrindra amin’ Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin’ ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va?
- 6 Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin’ ny tanana izy;
- 7 Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; Ary hodorana amin’ ny afo avokoa amin’ izay itoerany ireny.
- 8 Ary izao no anaran’ ny lehilahy maherin’ i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben’ ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin’ ny ady indray mandeha monja.
- 9 Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak’ i Dodo, zanak’ i Ahohita, anankiray amin’ izy telo lahy mahery teo amin’ i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo, ka niakatra ny lehilahy amin’ ny Isiraely;
- 10 dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan’ ny tànany ka efa niraikitra tamin’ ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin’ izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan’ ny olona azy.
- 11 Ary ny manarakaraka azy dia Sama, zanak’ i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin’ ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra azy,
- 12 dia nijanona teo afovoan’ io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
- 13 Ary nisy telo lahy samy malaza avy tamin’ ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin’ i Davida tao amin’ ny zohin’ i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan’ ny Filistina nitoby teo amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
- 14 Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
- 15 Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ ny vavahady!
- 16 Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin’ ny miaramilan’ ny Filistina ka nanovo rano tamin’ ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan’ ny vavahady, dia nentiny ho any amin’ i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an’ i Jehovah iny.
- 17 Fa hoy Davida: Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran’ ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ ireo telo lahy mahery ireo.
- 18 Ary Abisay, rahalahin’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, no lehibe amin’ izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin’ ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin’ izy telo lahy.
- 19 Tsy izy va no be voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo lahy teo izy.
- 20 Ary Benaia, zanak’ i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin’ ilay andro nisy oram-panala iny;
- 21 ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan’ i Benaia tamin’ ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
- 22 Izany no nataon’ i Benaia, zanak’ i Joiada, ary tamin’ izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
- 23 Izy no nalaza noho ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. Ary Davida nanendry azy ho isan’ ny mpanolo-tsaina azy.
- 24 Asahela, rahalahin’ i Joaba, no anankiray amin’ ny telo-polo, ary Elanana, zanak’ i Dodo, avy any Betlehema,
- 25 Sama Harodita, Elika Harodita,
- 26 Heleza Paltita, Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta,
- 27 Abiezera Anatotita, Mebonay Hosatita,
- 28 Zalmona Ahohita, Maharay Netofatita,
- 29 Haleba, zanak’ i Bana Netofatita, Itahy, zanak’ i Ribay, avy any Gibean’ ny taranak’ i Benjamina,
- 30 Benaia Piratonita, Hiday, avy any amin’ ny lohasahan-driak’ i Gasy,
- 31 Abi-albona Arbatita, Azmaveta Psaromita,
- 32 Eliaba Salbonita, tamin’ ny zanak’ i Jasena, Jonatana,
- 33 Sama Hararita, Ahiama, zanak’ i Sarara Hararita,
- 34 Elifeleta, zanak’ i Ahasbay, zanaky ny Makatita, Eliama, zanak’ i Ahitofela Gilonita,
- 35 Hezray Karmelita, Paray Arbita,
- 36 Jigala, zanak’ i Natana, avy any Zoba, Bany Gadita,
- 37 Zaleka Amonita, Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, zanak’ i Zeroia,
- 38 Ira Jitrita, Gareba Jitrita,
- 39 Oria Hetita; fito amby telo-polo no isan’ izy rehetra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗