사무엘하 20장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 26절
- 1 Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak’ i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin’ i Davida na lova amin’ ny zanak’ i Jese; samia mody any amin’ ny lainy avy, ry Isiraely ô.
- 2 Ka dia samy niara-nandao an’ i Davida ny lehilahy amin’ ny Isiraely ka nanaraka an’ i Seba, zanak’ i Bikry; fa ny lehilahy amin’ ny Joda no nifikitra tamin’ ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
- 3 Ary nony tonga tao an-tranony tany Jerosalema Davida mpanjaka, dia nalainy ny vaditsindranony folo vavy izay navelany hiandry trano tao, ka nataony tao an-trano fiambenana ary nomeny fivelomana, fa tsy nandriany intsony. Ka dia nambenana tao mandra-pahafatiny ireo ka velona tsy nanam-bady intsony.
- 4 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Amasa: Vorio ny lehilahy amin’ ny Joda ho eto amiko amin’ ny hateloana, ary aoka mba ho eto koa ny tenanao.
- 5 Ary dia lasa Arnasa namory ny Joda, fa nandiso ny fotoan’ andro nomeny azy izy.
- 6 Ary hoy Davida tamin’ i Abisay: Ankehitriny izao dia Seba, zanak’ i Bikry no ahitantsika loza mihoatra noho Absaloma; koa ento ny mpanomponao ny tomponao, ka enjeho izy, fandrao mahazo tanàna mimanda ka tsy ho azontsika.
- 7 Ary dia nivoaka hanenjika azy ny olon’ i Joaba sy ny miaramila mpiambina andriana ary ny lehilahy mahery rehetra; dia nivoaka avy tany Jerosalema ireo hanenjika an’ i Seba, zanak’ i Bikry.
- 8 Fa nony tonga tao amin’ ilay vato lehibe tao Gibeona izy, dia avy Amasa nitsena azy; ary ny akanjo fiadian’ i Joaba, ilay niakanjoany, dia nofehezina taminy, ary teo amboniny teo am-balahany no nisy ny fehin-tsabany ambamin’ ny tranony; ary nony nandeha izy, dia latsaka ny sabatra.
- 9 Ary hoy Joaba tamin’ i Amasa: Tsara ihany va ianao, ry rahalahy? Dia noraisin’ i Joaba tamin’ ny tànany ankavanana ny somotr’ i Amasa horohany.
- 10 Fa Amasa tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tànan’ i Joaba, kanjo nasiany tamin’ ny kibony izy, ka dia nivaroraka tamin’ ny tany ny tsinainy, ary tsy nasiany intsony, fa matiny tamin’ izay. Ary Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an’ i Seba, zanak’ i Bikry.
- 11 Ary ny zatovon’ i Joaba anankiray nijanona teo anilan’ ny faty ka nanao hoe: Izay miandany amin’ i Joaba sy Davida dia aoka hanaraka an’ i Joaba.
- 12 Ary Amasa nihosin-drà teo anaty lalambe. Ary raha hitan-dralehilahy fa nijanona ny olona rehetra, dia nafindrany niala teo amin’ ny lalambe ho any an-tsaha ny fatin’ i Amasa ka nosaronany lamba, nony hitany fa nijanona izay rehetra mandalo azy.
- 13 Ary nony nafindrany niala teo amin’ ny lalambe izy, dia nizotra nanaraka an’ i Joaba ny olona rehetra hanenjika an’ i Seba, zanak’ i Bikry.
- 14 Ary izy nandeha namaky ny firenen’ Isiraely rehetra hatrany Abela sy Beti-maka sy ny an’ ny Berita rehetra; ary nivory ireo, ka dia mba lasa nanaraka azy.
- 15 Ary dia tonga izy ka nanao fahirano azy teo Abela sy Beti-maka, ary nanandratra tovon-tany tandrifin’ ny tanàna izy, ka teo ivelany manolotra ny manda no nitoerany; ary ny olona izay nomba an’ i Joaba dia namely nandrava ny manda.
- 16 Ary nisy vehivavy hendry tao an-tanàna niantso hoe: Mihainoa, mihainoa e; masìna ianareo, lazao amin’ i Joaba hoe: Mankanesa erỳ aminy, hono, ianao, fa misy holazainy aminao.
- 17 Ary nony efa mby tao akaiky izy, dia hoy ravehivavy: Hianao va no Joaba? Dia hoy izy: Eny, izaho no izy. Ary hoy ravehivavy taminy: Mihainoa ny teniko mpanompovavinao. Dia hoy izy: Mihaino aho izao.
- 18 Ary hoy ravehivavy: Izao no fitenin’ ny olona taloha: Aoka hanadina ao Abela izy; koa araka izany ny nahavitany raharaha.
- 19 Izaho dia isan’ ny tia fihavanana sady olona mahatoky eto amin’ ny Isiraely; fa ianao kosa mitady handrava renivohitra eto amin’ ny. Isiraely, koa ahoana no hamongoranao ny lovan’ i Jehovah?
- 20 Ary Joaba namaly hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana.
- 21 Tsy izany tsy akory; fa misy lehilahy avy amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Seba no anarany, zanak’ i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin’ i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy, dia hiala amin’ ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin’ i Joaba: Indro, ny lohany atsipy eny aminao eny ankoatry ny manda.
- 22 Dia lasa nanatona ny olona rehetra tamin’ ny fahendreny ravehivavy. Dia notapahin’ ireo ny lohan’ i Seba, zanak’ i Bikry, ka natsipiny teny amin’ i Joaba. Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niala tamin’ ny tanàna ny olona samy ho any amin’ ny lainy avy. Ary Joaba niverina nankany Jerosalema ho any amin’ ny mpanjaka.
- 23 Ary Joaba no komandin’ ny miaramila rehetra tamin’ ny Isiraely; ary Benaia, zanak’ i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana;
- 24 ary Adorama no komandin’ ny mpanao fanompoana; ary Josafata, zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
- 25 ary Seva no mpanoratra; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
- 26 ary Ira Jairita kosa no mpanolo-tsaina an’ i Davida.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗