사무엘하 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 37절
- 1 Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.
- 2 Ary Absaloma nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan’ ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin’ ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin’ i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin’ ny tanàna aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Anonana amin’ ny firenen’ Isiraely ny mpanomponao.
- 3 Dia hoy Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin’ ny mpanjaka hihaino anao.
- 4 Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin’ ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!
- 5 Ary isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny tànany ka noraisiny sy norohany izany olona izany.
- 6 Ary toy izany no nataon’ i Absaloma tamin’ ny Isiraely rehetra izay nankao amin’ ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin’ i Absaloma ho azy ny fon’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
- 7 Ary nony afaka efa-polo taona, dia hoy Absaloma tamin’ ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin’ i Jehovah.
- 8 Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin’ i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an’ i Jehovah.
- 9 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona.
- 10 Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon’ ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona.
- 11 Ary nisy roan-jato lahy izay nasain’ i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin’ ny fahatsoran’ ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona.
- 12 Ary Absaloma naniraka naka an’ i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an’ i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an’ i Absaloma.
- 13 Ary nisy olona tonga tao amin’ i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an’ i Absaloma fon’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
- 14 Ary hoy Davida tamin’ ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin’ i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin’ ny lelan-tsabatra ny tanàna.
- 15 Ary hoy ny mpanompon’ ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko.
- 16 Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin’ ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin’ ny vaditsindranony hiandry trano.
- 17 Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy.
- 18 Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan’ ny mpanjaka.
- 19 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin’ ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin’ ny fonenanao.
- 20 Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin’ izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana.
- 21 Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran’ ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran’ ny mpanomponao.
- 22 Ary hoy Davida tamin’ Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra mbamin’ ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo.
- 23 Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin’ ny lalana mankany an-efitra.
- 24 Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran’ Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.
- 25 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran’ Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason’ i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
- 26 Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay ataony ho tsara.
- 27 Ary hoy koa ny mpanjaka tamin’ i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? miverena soa aman-tsara any an-tanàna ianao mbamin’ ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo, dia Ahimaza zanakao sy Jonatana, zanak’ i Abiatara.
- 28 Indro, izaho hijanonjanona eny amin’ ny fitàna any amin’ ny efitra mandra-pahatongan’ izay teny avy atỳ aminareo hambara amiko.
- 29 Ary Zadoka sy Abiatara nitondra ny fiaran’ Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany; dia nitoetra tany izy.
- 30 Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa.
- 31 Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan’ ny mpiray tetika amin’ i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon’ i Ahitofela.
- 32 Ary nony tonga teo an-tampon’ ny tendrombohitra Davida, dia teo amin’ izay fivavahan’ ny olona tamin’ Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany;
- 33 ary hoy Davida taminy: Raha miara-mandroso amiko ianao, dia ho tonga enta-mavesatra amiko;
- 34 fa raha hiverina any an-tanàna kosa ianao ka hanao amin’ i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon’ ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon’ i Ahitofela.
- 35 Ary tsy ao aminao va Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon’ ny mpanjaka, dia ambarao amin’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona.
- 36 Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak’ i Zadoka, sy Jonatana, zanak’ i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho atỳ amiko.
- 37 Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan’ i Davida, tamin’ ny nahatongavan’ i Absaloma tany Jerosalema.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗