사무엘하 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 23절
- 1 Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon’ ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon’ i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.
- 2 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Ziba: Ahoana no hevitrao amin’ ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an’ ny ankohonan’ ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin’ ny zatovo; ary ny divay hosotroin’ izay reraka any an-efitra.
- 3 Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin’ ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian’ ny taranak’ Isiraely ny fanjakan’ ikaky ho ahy.
- 4 Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Ziba: Indro, anao izay rehetra an’ i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko.
- 5 Ary nony nanakaiky an’ i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan’ i Saoly ny anarany dia Simey, zanak’ i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny am-pandehanana.
- 6 Ary nitora-bato an’ i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin’ ny ankavanan’ ny mpanjaka sy teo amin’ ny ankaviany.
- 7 Ary hoy ny fanozon’ i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy!
- 8 Nataon’ i Jehovah manody anao izao ny ran’ ny tamingan’ i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan’ i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà.
- 9 Ary hoy Abisay, zanak’ i Zeroia, tamin’ ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany.
- 10 Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’ i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany?
- 11 Ary hoy koa Davida tamin’ i Abisay sy tamin’ ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany.
- 12 Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin’ ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.
- 13 Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin’ ny ilan’ ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny am-pandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka.
- 14 Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka, ka dia naka aina teo izy.
- 15 Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin’ ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy.
- 16 Ary Hosay Arkita, sakaizan’ i Davida, dia tonga tao amin’ i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka!
- 17 Fa hoy Absaloma tamin’ i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin’ ny sakaizanao?
- 18 Ary hoy Hosay tamin’ i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin’ i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako.
- 19 Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan’ ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan’ ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa.
- 20 Ary hoy Absaloma tamin’ i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika.
- 21 Dia hoy Ahitofela tamin’ i Absaloma: Midìra ao amin’ ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren’ ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan’ izay rehetra momba anao.
- 22 Ary dia nanorin-day ho an’ i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin’ ny vaditsindranon-drainy teo imason’ ny Isiraely rehetra.
- 23 Ary ny hevitr’ i Ahitofela izay nataony tamin’ izany dia hoatra ny manontany amin’ Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon’ i Ahitofela, na tamin’ i Davida, na tamin’ i Absaloma.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗