사무엘하 14장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 33절
- 1 Ary Joaba, zanak’ i Zeroia, nahalala fa ny fon’ ny mpanjaka nalahelo an’ i Absaloma ihany.
- 2 Koa naniraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty;
- 3 dia mankanesa ao amin’ ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen’ i Joaba teny izy.
- 4 Ary nony niteny tamin’ ny mpanjaka ravehivavy avy any Tekoa, dia niankohoka tamin’ ny tany izy ary nitsaoka ka nanao hoe: Vonjeo, ary mpanjaka ô.
- 5 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondra tena tokoa aho, fa maty vady.
- 6 Ary izaho mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny ka nahafaty azy.
- 7 Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain’ ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an’ ny vadiko etỳ ambonin’ ny tany.
- 8 Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin’ izany.
- 9 Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin’ ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin’ ny ankohonan’ ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
- 10 Dia hoy ny mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento etỳ amiko, dia tsy haninona anao intsony izy.
- 11 Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin’ ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin’ ny zanakao.
- 12 Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin’ ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.
- 13 Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon’ Andriamanitra? Fa amin’ ny, itenenan’ ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsi-fampodian’ ny mpanjaka ilay noroahiny.
- 14 Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin’ ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain’ olona, fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny.
- 15 Fa izaho no tonga hilaza izany zavatra izany amin’ ny mpanjaka tompoko, ny olona no nampitahotra ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin’ ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin’ ny mpanompovaviny.
- 16 Eny, ny mpanjaka hihaino ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin’ ny tanan’ ny lehilahy izay ta-hamongotra ahy mbamin’ ny zanako hiala amin’ ny lova nomen’ Andriamanitra.
- 17 Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin’ ny mpanjaka tompoko; fa ta-haka Ilay Anjelin’ Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao.
- 18 Ary ny mpanjaka namaly an-dravehivavy hoe: Aza dia afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko.
- 19 Ary hoy ny mpanjaka: Moa saina nomen’ i Joaba va izany rehetra lazainao izany? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain’ ny mpanjaka tompoko na ho amin’ ny ankavanana na ho amin’ ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.
- 20 Ny hampiova tarehy ny raharaha no nanaovan’ i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka Ilay Anjelin’ Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin’ ny tany.
- 21 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany: koa andeha, alao hody Absaloma zatovo.
- 22 Dia niankohoka tamin’ ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran’ ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin’ ny nanaovan’ ny mpanjaka araka ny nangatahin’ ny mpanompony.
- 23 Dia niainga Joaba nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema Absaloma.
- 24 Ary hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan’ ny mpanjaka.
- 25 Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an’ i Absaloma teo amin’ ny Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
- 26 Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan’ ny taona no nanaratany azy; fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan’ ny mpanjaka.
- 27 Ary Absaloma niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy tsara tarehy izy.
- 28 Ary Absaloma nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny tavan’ ny mpanjaka ihany izy.
- 29 Ary Absaloma dia naniraka tany amin’ i Joaba, mba hanirahany azy ho any amin’ ny mpanjaka, fa tsy nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray Absaloma, fa mbola tsy nety nankany ihany Joaba.
- 30 Koa dia hoy izy tamin’ ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin’ i Joaba mifanolotra amin’ ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin’ ny afo izany. Ary ny mpanompon’ i Absaloma dia nandoro ny tanimbary.
- 31 Ary Joaba niainga nankany amin’ i Absaloma tao an-tranony ka nanao taminy hoe: Nahoana ny mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin’ ny afo?
- 32 Fa hoy Absaloma tamin’ i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin’ ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan’ ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny.
- 33 Ary Joaba nankany amin’ ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain’ ny mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka; ary dia nanoroka an’ i Absaloma ny mpanjaka.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗