사무엘하 13장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘하 (2 Samuel) · 39절
- 1 Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak’ i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak’ i Davida.
- 2 Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin’ i Amnona ny haka azy.
- 3 Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.
- 4 Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan’ andro isan’ andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an’ i Tamara, anabavin’ i Absaloma rahalahiko, aho.
- 5 Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin’ ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.
- 6 Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.
- 7 Ary Davida naniraka nankany amin’ i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon’ i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.
- 8 Dia nandeha Tamara nankany an-tranon’ i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo.
- 9 Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra.
- 10 Ary hoy Amnona tamin’ i Tamara: Ento atỳ amin’ ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain’ i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin’ ny efi-trano tao amin’ i Amnona anadahiny.
- 11 Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an’ i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko.
- 12 Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin’ ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianao.
- 13 Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin’ ny adala eto amin’ ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin’ ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy.
- 14 Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy.
- 15 Ary dia halan’ i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana.
- 16 Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy.
- 17 Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.
- 18 Ary niakanjo akanjo lava razazavavy; fa izany no fanaon’ ny zanakavavin’ ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan’ ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.
- 19 Ary nasian’ i Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana.
- 20 Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangìna ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon’ i Absaloma anadahiny Tamara sady ory.
- 21 Fa nony ren’ i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany.
- 22 Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin’ i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan’ i Absaloma izy noho ny nisavihany an’ i Tamara anabaviny.
- 23 Ary nony afaka roa taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky an’ i Efraima Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra izy.
- 24 Ary nankao amin’ ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao.
- 25 Fa hoy ny mpanjaka tamin’ i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety nandeha izy, fa nitso-drano azy ihany.
- 26 Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?
- 27 Fa nanery azy Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra handeha hiaraka aminy.
- 28 Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’ i Amnona azon’ ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
- 29 Ary ny zatovon’ i Absaloma nanao tamin’ i Amnona araka ny teny nomen’ i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.
- 30 Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin’ i Davida ny filazana hoe: novonoin’ i Absaloma avokoa ny zanakalahin’ ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
- 31 Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin’ ny tany; ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany.
- 32 Ary Jonadaba, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin’ ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin’ ny andro nisavihany an’ i Tamara anabaviny.
- 33 Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty.
- 34 Fa Absaloma nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy olona maro avy teo ivohony, teo anilan’ ny tendrombohitra.
- 35 Ary hoy Jonadaba tamin’ ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin’ ny mpanjaka, dia araka ny nolazain’ ny mpanomponao tokoa.
- 36 Ary nony efa voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin’ ny mpanjaka, ary nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba nitomany mafy dia mafy koa.
- 37 Fa Absaloma nandositra nankany amin’ i Talmay, zanakalahin’ i Amihoda, mpanjakan’ i Gesora. Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida.
- 38 Ary Absaloma efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona.
- 39 Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin’ i Absaloma; fa nionona izy noho ny amin’ i Amnona, satria efa maty izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗