사무엘상 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘상 (1 Samuel) · 22절
- 1 Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely.
- 2 Ary Joela no anaran’ ny lahimatoany, ary Abia no anaran’ ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo.
- 3 Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra.
- 4 Ary ny loholon’ ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin’ i Samoela
- 5 ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.
- 6 Fa tsy sitrak’ i Samoela ny nanaovan’ ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin’ i Jehovah Samoela.
- 7 Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ihany ny tenin’ ny olona amin’ izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
- 8 Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao.
- 9 Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon’ ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
- 10 Dia nambaran’ i Samoela tamin’ ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain’ i Jehovah.
- 11 Ary hoy izy: Izao no ho fanaon’ ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin’ ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan’ ny kalesiny,
- 12 ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;
- 13 ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo;
- 14 ary ny tsara indrindra amin’ ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin’ olivanareo dia halainy ka homeny ho an’ ny mpanompony;
- 15 ary ny ampahafolon’ ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an’ ny tandapany sy ny tandonany.
- 16 Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany.
- 17 Ary halainy koa ny ampahafolon’ ny ondry aman’ osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony.
- 18 Ary hitaraina amin’ izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin’ izany andro izany.
- 19 Kanefa tsy nety nihaino ny tenin’ i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay,
- 20 mba ho tahaka ny firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay.
- 21 Ary ren’ i Samoela ny teny rehetra nolazain’ ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan’ i Jehovah kosa.
- 22 Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin’ ny tanànanareo avy ianareo rehetra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗