사무엘상 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘상 (1 Samuel) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely. | And it came to pass, when Samuel was old, that he made his sons judges over Israel. |
| 2 | Ary Joela no anaran’ ny lahimatoany, ary Abia no anaran’ ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo. | Now the name of his firstborn was Joel; and the name of his second, Abiah: they were judges in Beer–sheba. |
| 3 | Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra. | And his sons walked not in his ways, but turned aside after lucre, and took bribes, and perverted judgment. |
| 4 | Ary ny loholon’ ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin’ i Samoela | Then all the elders of Israel gathered themselves together, and came to Samuel unto Ramah, |
| 5 | ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra. | And said unto him, Behold, thou art old, and thy sons walk not in thy ways: now make us a king to judge us like all the nations. |
| 6 | Fa tsy sitrak’ i Samoela ny nanaovan’ ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin’ i Jehovah Samoela. | But the thing displeased Samuel, when they said, Give us a king to judge us. And Samuel prayed unto the Lord. |
| 7 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ihany ny tenin’ ny olona amin’ izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy. | And the Lord said unto Samuel, Hearken unto the voice of the people in all that they say unto thee: for they have not rejected thee, but they have rejected me, that I should not reign over them. |
| 8 | Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao. | According to all the works which they have done since the day that I brought them up out of Egypt even unto this day, wherewith they have forsaken me, and served other gods, so do they also unto thee. |
| 9 | Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon’ ny mpanjaka izay hanjaka aminy. | Now therefore hearken unto their voice: howbeit yet protest solemnly unto them, and shew them the manner of the king that shall reign over them. |
| 10 | Dia nambaran’ i Samoela tamin’ ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain’ i Jehovah. | And Samuel told all the words of the Lord unto the people that asked of him a king. |
| 11 | Ary hoy izy: Izao no ho fanaon’ ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin’ ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan’ ny kalesiny, | And he said, This will be the manner of the king that shall reign over you: He will take your sons, and appoint them for himself, for his chariots, and to be his horsemen; and some shall run before his chariots. |
| 12 | ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny; | And he will appoint him captains over thousands, and captains over fifties; and will set them to ear his ground, and to reap his harvest, and to make his instruments of war, and instruments of his chariots. |
| 13 | ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo; | And he will take your daughters to be confectionaries, and to be cooks, and to be bakers. |
| 14 | ary ny tsara indrindra amin’ ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin’ olivanareo dia halainy ka homeny ho an’ ny mpanompony; | And he will take your fields, and your vineyards, and your oliveyards, even the best of them, and give them to his servants. |
| 15 | ary ny ampahafolon’ ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an’ ny tandapany sy ny tandonany. | And he will take the tenth of your seed, and of your vineyards, and give to his officers, and to his servants. |
| 16 | Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany. | And he will take your menservants, and your maidservants, and your goodliest young men, and your asses, and put them to his work. |
| 17 | Ary halainy koa ny ampahafolon’ ny ondry aman’ osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony. | He will take the tenth of your sheep: and ye shall be his servants. |
| 18 | Ary hitaraina amin’ izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin’ izany andro izany. | And ye shall cry out in that day because of your king which ye shall have chosen you; and the Lord will not hear you in that day. |
| 19 | Kanefa tsy nety nihaino ny tenin’ i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay, | Nevertheless the people refused to obey the voice of Samuel; and they said, Nay; but we will have a king over us; |
| 20 | mba ho tahaka ny firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay. | That we also may be like all the nations; and that our king may judge us, and go out before us, and fight our battles. |
| 21 | Ary ren’ i Samoela ny teny rehetra nolazain’ ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan’ i Jehovah kosa. | And Samuel heard all the words of the people, and he rehearsed them in the ears of the Lord. |
| 22 | Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin’ ny tanànanareo avy ianareo rehetra. | And the Lord said to Samuel, Hearken unto their voice, and make them a king. And Samuel said unto the men of Israel, Go ye every man unto his city. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL