사무엘상 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘상 (1 Samuel) · 17절
- 1 Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran’ i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon’ i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an’ i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran’ i Jehovah izy.
- 2 Ary hatramin’ izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran’ i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak’ Isiraely rehetra nalahelo an’ i Jehovah.
- 3 Ary hoy Samoela tamin’ ny taranak’ Isiraely rehetra: Raha miverina amin’ i Jehovah amin’ ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an’ i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin’ ny tanan’ ny Filistina Izy.
- 4 Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak’ Isiraely ka nanompo an’ i Jehovah irery ihany.
- 5 Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin’ i Jehovah ho anareo aho.
- 6 Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan’ i Jehovah, sady nifady hanina tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak’ Isiraely tany Mizpa.
- 7 Ary rehefa ren’ ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak’ Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan’ ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak’ Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina.
- 8 Dia hoy ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin’ i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin’ ny tanan’ ny Filistina.
- 9 Dia naka zanak’ ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah; dia nitaraina tamin’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
- 10 Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin’ ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin’ ny Filistina tamin’ izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan’ ny Isiraely izy.
- 11 Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin’ i Beti-kara.
- 12 Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan’ i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen’ i Jehovah isika hatramin’ izao.
- 13 Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely intsony; ary ny tànan’ i Jehovah namely ny Filistina tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Samoela.
- 14 Ary ny tanàna izay efa nalain’ ny Filistina tamin’ ny Isiraely dia azon’ ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin’ ireo dia nalain’ ny Isiraely tamin’ ny tanan’ ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.
- 15 Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra niainany.
- 16 Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin’ ireo tanàna rehetra ireo.
- 17 Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an’ i Jehovah.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗