사무엘상 22장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘상 (1 Samuel) · 23절
- 1 Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin’ ny zohin’ i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo.
- 2 Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato lahy ny tao aminy.
- 3 Ary Davida niala tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin’ ny mpanjakan’ i Moaba hoe: Masìna ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy atỳ hitoetra etỳ aminao ambara-pahafantatro izay hataon’ Andriamanitra amiko.
- 4 Ary dia nentiny ho eo anatrehan’ ny mpanjakan’ i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin’ ny andro rehetra nitoeran’ i Davida tao amin’ ny batery fiarovana.
- 5 Ary hoy Gada mpaminany tamin’ i Davida: Aza mitoetra ao amin’ ny batery fiarovana; fa mialà, ka mankanesa any amin’ ny tanin’ ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an’ ala Hareta.
- 6 Ary ren’ i Saoly fa hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin’ ny hazo tamariska teo an-kavoana Saoly tamin’ izay, sady nisy lefona teny an-tànany, ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany),
- 7 dia hoy Saoly tamin’ ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak’ i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba homen’ ny zanak’ i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra,
- 8 no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin’ ny zanak’ i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin’ izao anio izao?
- 9 Ary Doega Edomita, mpifehy ny mpanompon’ i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak’ i Jese tonga tany Noba aho tany amin’ i Ahimeleka, zanak’ i Ahitoba.
- 10 Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin’ i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr’ i Goliata Filistina.
- 11 Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an’ i Ahimeleka mpisorona, zanak’ i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin’ ny mpanjaka izy rehetra.
- 12 Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak’ i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko.
- 13 Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak’ i Jese, tamin’ ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin’ Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin’ izao anio izao?
- 14 Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin’ ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an’ i Davida, izay vinanton’ ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao?
- 15 Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin’ Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin’ izany rehetra izany, na kely na be.
- 16 Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra.
- 17 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpiambina izay teo anoloany: Mihodìna, ka vonoy ny mpisoron’ i Jehovah; fa ny tànan’ ireo koa momba an’ i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon’ ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron’ i Jehovah.
- 18 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Doega: Mihodìna ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy.
- 19 Dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan’ ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman’ osy.
- 20 Ary ny anankiray tamin’ ny zanak’ i Ahimeleka, zanak’ i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an’ i Davida.
- 21 Ary Abiatara nanambara tamin’ i Davida ny namonoan’ i Saoly ny mpisoron’ i Jehovah.
- 22 Ary hoy Davida tamin’ i Abiatara: Fantatro androtr’ iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin’ i Saoly tokoa; koa izaho no anton’ ny nahafaty ny olona rehetra tamin’ ny tarana-drainao.
- 23 Tomoera etỳ amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗