사무엘상 23장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘상 (1 Samuel) · 28절
- 1 Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an’ i Keila ka mamabo ny ao amin’ ny famoloana.
- 2 Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin’ i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.
- 3 Ary hoy ny olon’ i Davida taminy: He! atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila hiady amin’ ny miaramilan’ ny Filistina?
- 4 Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
- 5 Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin’ ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin’ i Davida ny mponina tao Keila.
- 6 Ary raha nandositra nankany amin’ i Davida tany Keila Abiatara, zanak’ i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy.
- 7 Ary nambara tamin’ i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin’ ny tanàna misy vavahady mihidy.
- 8 Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an’ i Davida sy ny olony.
- 9 Ary fantatr’ i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin’ i Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda.
- 10 Dia hoy Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, efa ren’ ny mpanomponao tokoa fa Saoly mitady hankatỳ Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko.
- 11 Ka moa ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina etỳ va Saoly toy ny efa ren’ ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, ambarao amin’ ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.
- 12 Dia hoy Davida: Ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan’ i Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra anao izy.
- 13 Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin’ izay azony naleha. Ary nolazaina tamin’ i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
- 14 Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin’ ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin’ ny tany havoana tany an-efitr’ i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan’ andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.
- 15 Ary hitan’ i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr’ i Zifa tany anaty ala.
- 16 Ary Jonatana, zanak’ i Saoly, niainga, dia nankany amin’ i Davida tany an’ ala ka nampahery ny tànany tamin’ Andriamanitra.
- 17 Ary hoy izy tamin’ i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan’ i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin’ ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr’ i Saoly raiko koa izany.
- 18 Ary nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an’ ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.
- 19 Ary niakatra nankany amin’ i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin’ ny batery fiarovana any an’ ala, any amin’ ny havoana Hakila, izay atsimon’ ny efitra, va Davida?
- 20 Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian’ ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjaka izy.
- 21 Ary hoy Saoly: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.
- 22 Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.
- 23 Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin’ ny tany izy, dia hotadiaviko eran’ ny arivon’ i Joda rehetra.
- 24 Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an’ i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin’ ny efitr’ i Maona, tamin’ ny tani-hay atsimon’ ny efitra.
- 25 Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin’ i Davida izany, ka dia nidina tany amin’ ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr’ i Maona. Ary nony ren’ i Saoly izany, dia nanenjika an’ i Davida tany an-efitr’ i Maona izy.
- 26 Ary Saoly nandeha tamin’ ny ilan’ ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin’ ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an’ i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an’ i Davida sy ny olony hisambotra azy.
- 27 Dia nisy iraka tonga tao amin’ i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.
- 28 Dia niverina Saoly tamin’ ny nanenjehany an’ i Davida ary nandeha niady tamin’ ny Filistina; ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗