사무엘상 21장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘상 (1 Samuel) · 16절
- 1 Dia nitsangana Davida ka lasa; fa Jonatana kosa nankany an-tanàna.
- 2 Ary Davida tonga tany Noba, tany amin’ i Ahimeleka mpisorona; ary toran-kovitra Ahimeleka, raha nihaona tamin’ i Davida, ka nanao taminy hoe: Nahoana no mandeha irery ianao, fa tsy misy manaraka anao?
- 3 Dia hoy Davida tamin’ i Ahimeleka mpisorona: Ny mpanjaka efa nanome raharaha ahy, ka hoy izy tamiko: Aoka tsy ho fantatr’ olona ny raharaha nanirahako sy nandidiako anao; ka dia nasaiko nankary ny zatovoko.
- 4 Koa inona no misy ato aminao? Omeo mofo dimy aho ho etỳ an-tanako, na izay misy.
- 5 Ary ny mpisorona namaly an’ i Davida hoe: Tsy misy mofo fihinana ato amiko, fa mofo masìna ihany no ato, ka raha mba nifady vehivavy ahay mantsy ny zatovo.
- 6 Ary Davida namaly ny mpisorona ka nanao taminy hoe: Eny, fa hatramin’ ny hateloana efa tsy niara-nitoetra tamim-behivavy rahateo izahay; ary tamin’ izaho niainga dia masìna ny fanaky ny zatovo; ary na dia tsy masìna aza ny lalana, dia hohamasinina anio izy noho ny fanaka.
- 7 Ary ny mpisorona nanome azy mofo masìna; fa tsy nisy mofo teo, afa-tsy ny mofo aseho, izay nalainy teo anatrehan’ i Jehovah, mba hasiana mofo mafana tamin’ ny andro nanesorana azy.
- 8 (Nefa nisy anankiray tamin’ ny mpanompon’ i Saoly teo tamin’ izany andro izany, voahazona teo anatrehan’ i Jehovah, Doega Edomita no anarany; lehiben’ ny mpiandrin’ i Saoly izy.)
- 9 Ary hoy Davida tamin’ i Ahimeleka: Tsy misy lefona na sabatra va eto aminao? fa izaho tsy nitondra ny sabatro na ny fiadiako etỳ amiko, satria nahamaika ny raharahan’ ny mpanjaka.
- 10 Fa hoy ny mpisorona: Ny sabatr’ i Goliata Filistina, ilay novonoinao tao amin’ ny lohasaha Elaha, indro, fa mifono lamba ao ivohon’ ny efoda izy; ka raha iny no ho entinao, dia ento; fa tsy misy afa-tsy iny eto. Ary hoy Davida: Tsy misy tahaka iny, fa omeo ahy.
- 11 Ary Davida niainga nandositra tamin’ izany andro izany mba tsy ho azon’ i Saoly, dia nankany amin’ i Akisy, mpanjakan’ i Gata.
- 12 Ary hoy ny mpanompon’ i Akisy taminy: Tsy ity moa no Davida, mpanjakan’ ny tany? Tsy izy va no nandihizany sy nifampihirany hoe: Saoly nahafaty arivoarivo, Fa Davida nahafaty alinalina?
- 13 Ary dia nalatsak’ i Davida tao am-pony izany teny izany, ka natahotra an’ i Akisy, mpanjakan’ i Gata, indrindra izy.
- 14 Dia nody adala teo anatrehany izy ka nanao tahaka ny olona very saina teo aminy, fa nanoratsoratra teo amin’ ny lela-vavahady izy, sady navelany hitsororoka tamin’ ny somony ny iviny.
- 15 Ary hoy Akisy tamin’ ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo etỳ amiko izy?
- 16 Izaho moa mitady olona very saina, no nitondranareo ity olona very saina ity mba hanondrana eto anatrehako? Moa hiditra ato an-tranoko va ilehio?
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗