민수기 31장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 54절
- 1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 2 Valio ny Midianita noho ny nataony tamin’ ny Zanak’ Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin’ ny razanao ianao.
- 3 Dia niteny tamin’ ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian’ i Jehovah azy.
- 4 Arivo lahy avy isam-pirenena amin’ ny firenen’ Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.
- 5 Dia navahana tamin’ ny firenen’ Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.
- 6 Ary nampandehanin’ i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak’ i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masìna teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo.
- 7 Dia niady tamin’ ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy
- 8 ary ny mpanjakan’ i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin’ ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak’ i Beora, koa dia novonoiny tamin’ ny sabatra.
- 9 Ary ny Zanak’ Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman’ ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.
- 10 Ary ny tanànany rehetra izay teo amin’ ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin’ ny afo.
- 11 Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,
- 12 dia nentiny tany amin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
- 13 Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan’ ny toby.
- 14 Ary tezitra tamin’ ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,
- 15 ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?
- 16 Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Jehovah ny amin’ i Peora, araka ny tenin’ i Balama, ka nahazo ny fiangonan’ i Jehovah ny areti-mandringana.
- 17 Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.
- 18 Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.
- 19 Ary mitobia eo ivelan’ ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin’ ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.
- 20 Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon’ osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa.
- 21 Ary hoy Eleazara mpisorona tamin’ ny mpanafika, izay efa tany amin’ ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian’ i Jehovah’ an i Mosesy:
- 22 Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,
- 23 dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin’ ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin’ ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin’ ny rano ihany.
- 24 Ary sasao ny fitafianareo amin’ ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin’ ny toby ianareo.
- 25 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
- 26 Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny fiangonana ny isan’ ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy;
- 27 ary sasaho ny babo ho an’ izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an’ ny fiangonana rehetra;
- 28 kanefa makà anjara ho an’ i Jehovah avy amin’ ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’ osy;
- 29 ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an’ i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an’ i Jehovah.
- 30 Ary ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman’ osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an’ ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin’ i Jehovah.
- 31 Dia nataon’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 32 Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon’ ny mpanafika, dia ondry aman’ osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,
- 33 sy omby roa arivo amby fito alina,
- 34 sy boriky arivo amby enina alina,
- 35 ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.
- 36 Ary ny antsasany izay anjaran’ ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan’ ny ondry aman’ osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;
- 37 ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ny ondry aman’ osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.
- 38 Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia roa amby fito-polo.
- 39 Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia iraika amby enim-polo.
- 40 Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran’ i Jehovah avy tamin’ ireo dia roa amby telo-polo.
- 41 Dia nomen’ i Mosesy an’ i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an’ i Jehovah, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 42 Ary avy tamin’ ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely, izay nozarain’ i Mosesy avy tamin’ ny mpanafika
- 43 (fa ny antsasany an’ ny fiangonana dia ondry aman’ osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy,
- 44 sy omby enina arivo amby telo alina,
- 45 sy boriky diman-jato amby telo alina,
- 46 ary olona enina arivo amby iray alina),
- 47 ny antsasany an’ ny Zanak’ Isiraely dia nanalan’ i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an’ ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin’ i Jehovah izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
- 48 Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an’ i Mosesy
- 49 ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan’ ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza;
- 50 koa nitondra fanatitra ho an’ i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an’ ny ainay eo anatrehan’ i Jehovah.
- 51 Dia noraisin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa.
- 52 Ary ny volamena rehetra tamin’ ny fanatitra nalain’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an’ i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina
- 53 (fa ny mpanafika samy namabo ho an’ ny tenany).
- 54 Dia noraisin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin’ ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely eo anatrehan’ i Jehovah.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗