민수기 32장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 42절
- 1 Ary nanana omby aman’ ondry be indrindra ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry io,
- 2 dia avy ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka niteny tamin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin’ ny lohan’ ny fiangonana ka nanao hoe:
- 3 Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona,
- 4 ireo tany noresen’ i Jehovah teo anoloan’ ny fiangonan’ ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman’ ondry;
- 5 dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an’ i Jordana izahay.
- 6 Dia hoy Mosesy tamin’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va?
- 7 Nahoana ianareo no mampiketraka ny fon’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah azy?
- 8 Izany no nataon’ ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy;
- 9 fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon’ ny Zanak’ Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin’ ny tany izay efa nomen’ i Jehovah azy.
- 10 Ary nirehitra ny fahatezeran’ i Jehovah tamin’ izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe:
- 11 Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin’ ny fanarahana Ahy izy;
- 12 afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak’ i Nona, izay tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah.
- 13 Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’ i Jehovah.
- 14 Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely.
- 15 Fa raha miala amin’ ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao.
- 16 Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an’ ny omby aman’ ondrinay sy tanàna koa ho an’ ny zanakay madinika;
- 17 fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan’ ny Zanak’ Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin’ ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin’ ny tanàna mimanda noho ny mponina amin’ ny tany.
- 18 Tsy hody any an-tranonay izahay, mandra-pahazon’ ny Zanak’ Isiraely ny zara-taniny avy.
- 19 Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin’ i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay atỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana atỳ ny zara-taninay.
- 20 Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan’ i Jehovah ho any an-tafika,
- 21 ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin’ i Jordana eo anatrehan’ i Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany,
- 22 ka ho resy eo anatrehan’ i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin’ i Jehovah, na amin’ ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan’ i Jehovah.
- 23 Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia manota amin’ i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.
- 24 Manaova tanàna ho an’ ny zanakareo madinika sy vala ho an’ ny ondry aman’ osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo.
- 25 Dia niteny tamin’ i Mosesy ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko:
- 26 ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman’ osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin’ ny tanànan’ i Gileada;
- 27 fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’ i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko.
- 28 Ary Mosesy dia nandidy an’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ny amin’ ireo
- 29 ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an’ i Jordana hiaraka aminareo ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’ i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;
- 30 fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin’ ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany.
- 31 Dia namaly ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny mpanomponao no hataonay:
- 32 Izabay handeha hita eo anatrehan’ i Jehovah ho any amin’ ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin’ i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany.
- 33 Dia nomen’ i Mosesy ho an’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen’ i Manase, zanak’ i Josefa, ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorka, sy ny fanjakan’ i Oga, mpanjakan’ i Basana dia ny tany mbamin’ ny tanànany ao amin’ ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin’ ny tany manodidina.
- 34 Ary ny taranak’ i Gada nanao an’ i Dibona sy Atarota sy Aroera
- 35 sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha
- 36 sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an’ ny ondry.
- 37 Ary ny taranak’ i Robena nanao an’ i Hesbona sy Elale sy Kiriataima
- 38 sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran’ ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony.
- 39 Ary ny taranak’ i Makira, zanak’ i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.
- 40 Ary Gileada dia nomen’ i Mosesy an’ i Makira, zanak’ i Manase, ka nonina tao izy.
- 41 Ary Jaïra, zanak’ i Manase, nandeha ka nahafaka ny tanàna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-jaïra.
- 42 Ary Noba nandeha ka nahafaka an’ i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗