민수기 30장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 17절
- 1 Dia nolazain’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy.
- 2 Ary Mosesy niteny tamin’ ireo lohan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah:
- 3 Raha misy lehilahy mivoady amin’ i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
- 4 Ary raha misy vehivavy mivoady amin’ i Jehovah ka mamehy tena hifady, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy,
- 5 ka ren-drainy ny voadiny sy ny namehezany ny fanahiny hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana na inona na inona namehezany ny fanahiny.
- 6 Fa raha nandrara azy rainy tamin’ ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.
- 7 Ary raha manam-bady izy ka misy voady efa nataony, na misy teniteny foana nataon’ ny molony, izay namehezany ny fanahiny hifady,
- 8 ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.
- 9 Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin’ ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony.
- 10 Fa ny amin’ ny voadin’ ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa, dia tsy afaka izay rehetra namehezany ny fanahiny.
- 11 Ary raha nisy vehivavy nivoady tao an-tranon’ ny vadiny, na nianiana namehy ny fanahiny hifady,
- 12 ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny.
- 13 Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin’ ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony.
- 14 Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany, dia ny lahy ihany no tsy hahafaka azy, na hahafaka azy.
- 15 Fa raha tsy niteny azy akory tamin’ ny an-davan’ andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin’ ny andro nandrenesany.
- 16 Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorian’ ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy izy.
- 17 Ireo no lalàna izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin’ ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗