민수기 21장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 민수기 (Numbers) · 35절
- 1 Ary raha ren’ ilay Kananita, mpanjakan’ i Arada, izay nonina teo amin’ ny tany atsimo, fa efa mandeha amin’ ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin’ ny Isiraely.
- 2 Dia nivoady tamin’ i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany.
- 3 Ary Jehovah nihaino ny feon’ ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon’ ny Isiraely levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran’ izany tany izany dia natao hoe Horma.
- 4 Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin’ ny olona noho ny lalana.
- 5 Ary niteny nanome tsiny an’ Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin’ ny lalan’ ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.
- 6 Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran’ afo teny amin’ ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.
- 7 Dia nankeo amin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an’ i Jehovah sy ianao. Ifony amin’ i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an’ ny olona Mosesy.
- 8 Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran’ afo, ka ahantòny amin’ ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.
- 9 Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin’ ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
- 10 Ary ny Zanak’ Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.
- 11 Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin’ ny efitra izay mifanolotra amin’ i Moaba, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro.
- 12 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao amin’ ny lohasahan-driaka Zareda.
- 13 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’ i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin’ ny fari-tanin’ ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin’ ny Moabita, eo anelanelan’ ny Moabita sy ny Amorita.
- 14 Koa izany no ilazana eo amin’ ny Bokin’ ny Adin’ i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny lohasahan-driaka Arnona,
- 15 Ary ny tany kisolosolo amin’ ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin’ ny tanin’ i Ara ka mipaka amin’ ny fari-tanin’ i Moaba.
- 16 Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy.
- 17 Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy;
- 18 Lavaka fantsakana izay nohadin’ ireo mpanao lalàna, ary nolavahan’ ireo manan-kaja amin’ ny firenena. Tamin’ ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.
- 19 Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota;
- 20 ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin’ ny tany Moaba, ao an-tampon’ i Pisga, izay manatrika ny efitra.
- 21 Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, hanao hoe:
- 22 Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin’ ny saha na ho amin’ ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin’ ny lavaka fantsakana; ny lalan’ andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao.
- 23 Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin’ ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin’ ny Isiraely teo izy.
- 24 Ary ny Isiraely namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia hatramin’ ny taranak’ i Amona; fa mafy ny fari-tanin’ ny taranak’ i Amona.
- 25 Dia nalain’ ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan’ ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra.
- 26 Hesbona no tanànan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan’ i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
- 27 Izany no nanaovan’ ny mpanao oha-teny hoe: Midìra ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan’ i Sihona;
- 28 Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanànan’ i Sihona, Ka nandevona an’ i Aran’ i Moaba sy ny tompon’ ny havoan’ i Arnona.
- 29 Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’ i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita.
- 30 Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an’ i Medeba.
- 31 Dia nitoetra tao amin’ ny tanin’ ny Amorita ny Isiraely.
- 32 Ary Mosesy naniraka olona hisafo an’ i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany.
- 33 Ary niverina ny olona ka niakatra tamin’ ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan’ i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy.
- 34 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.
- 35 Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗