미가 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 미가 (Micah) · 20절
- 1 Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin’ ny fanahiko,
- 2 Lany tsy misy amin’ ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin’ ny olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny amin’ ny harato izy rehetra.
- 3 Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan’ ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.
- 4 Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron’ ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin’ izany dia vao ho very hevitra ianao.
- 5 Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran’ ny vavanao na dia amin’ izay andefimandrinao aza.
- 6 Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan’ ny olona ihany no fahavalony.
- 7 Fa izaho kosa dia hanandrandra an’ i Jehovah, Eny, hiandry an’ Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.
- 8 Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin’ ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.
- 9 Ny fahatezeran’ i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin’ ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
- 10 Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.
- 11 He ny andro hananganana ny mandanao! Amin’ izany andro izany dia hitarina ny faritra.
- 12 Amin’ izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin’ ny tanànan’ i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin’ ny Ony, Ary hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina, Ary hatramin’ ny tendrombohitra ka hatramin’ ny tendrombohitra.
- 13 Nefa ho lao ny tany noho ny amin’ ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
- 14 Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an’ ala ao an-tampon’ i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin’ ny andro taloha ela.
- 15 Toy ny tamin’ ny andro nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
- 16 Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny.
- 17 Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin’ ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.
- 18 Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ ny sisa amin’ ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.
- 19 Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin’ ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.
- 20 Hanefa fahamarinana ho an’ i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an’ i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin’ ny razanay hatramin’ ny andro taloha ela.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗