나훔 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 나훔 (Nahum) · 14절
- 1 Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Ninive, dia ny bokin’ ny fahitan’ i Nahoma Elkosita.
- 2 Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah; Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah dia Mpamaly ny rafilahiny Ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony.
- 3 Mahari-po Jehovah sady be hery Ary tsy mety manamarina ny meloka; Amin’ ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan’ i Jehovah. Ary rahona no vovoky ny tongony.
- 4 Miteny mafy ny ranomasina izy ka mahatankina azy Ary mandritra ny ony rehetra; Malazo Basana sy Karmela. Ary malazo koa ny vonin’ i Libanona.
- 5 Mihorohoro eo anatrehany ny tendrombohitra, Sady miempo ny havoana, Ary mientanentana eo anatrehany ny tany, Dia ny tany onenana sy ny mponina rehetra ao aminy.
- 6 Iza no mahatoetra eo anoloan’ ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Aidina toy ny afo ny fahatezerany, Ary mirodana eo anoloany ny vatolampy.
- 7 Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ ny andro fahoriana, Ka mahalala izay mialoka aminy.
- 8 Fa amin’ ny riaka manafotra no anafoanany ny fitoerany, Ary ny fahavalony dia henjehiny ho any amin’ ny maizina.
- 9 Inona no heverinareo ho enti-manohitra an’ i Jehovah? Fahafonganana no hataony, Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana.
- 10 Fa na dia miforiporitra toy ny tsilo aza ireny Sady vonton’ ny divay mahery fibobohany, Dia ho levona tokoa toy ny vodivary maina izy.
- 11 Avy tao aminao no nivoahan’ ny anankiray izay misain-dratsy ho enti-manohitra an’ i Jehovah Sady mamoron-kevi-dratsy.
- 12 Izao no lazain’ i Jehovah: Na dia tsy latsaka isa ka mbola maro aza ireny, Dia hofongorana ihany izy ka ho levona Fa efa nampahory anao Aho, Ka tsy hampahory anao intsony.
- 13 Fa ankehitriny hotapahiko ny ziogany ho afaka aminao, Ary hotosako ny famatorana anao.
- 14 Ary Jehovah efa nandidy ny aminao hoe: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; Hataoko tapaka tsy ho ao an-tranon’ ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina; Hanao ny fasana ho anjaranao Aho, satria hita fa latsa-danja ianao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗