미가 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 미가 (Micah) · 16절
- 1 Masìna ianareo, mihainoa izay lazain’ i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan’ ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren’ ny havoana ny feonao.
- 2 Mihainoa ny adin’ i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan’ ny tany; Fa Jehovah manana ady amin’ ny olony, Eny, amin’ ny Isiraely no ifandaharany.
- 3 Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
- 4 Fa nentiko niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin’ ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.
- 5 Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon’ i Balaka, mpanjakan’ i Moaba, Sy izay navalin’ i Balama, zanak’ i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon’ i Jehovah.
- 6 Inona no ho entiko manatona an’ i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?
- 7 Ho sitrak’ i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ ny fanahiko?
- 8 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain’ i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ ny fanetren-tena
- 9 Manaitra ny tanàna ny feon’ i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy.
- 10 Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon’ ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona?
- 11 Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga Sy kitapo misy vato tsy marina?
- 12 Fa feno loza ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany.
- 13 Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin’ ny fandringanako anao noho ny helokao.
- 14 Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin’ ny sabatra.
- 15 Hiantso hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay;
- 16 Fa fatra-pitandrina ny lalàn’ i Omry Sy ny asan’ ny taranak’ i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan’ ny oloko ianareo.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗