미가 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 미가 (Micah) · 16절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Masìna ianareo, mihainoa izay lazain’ i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan’ ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren’ ny havoana ny feonao. | Hear ye now what the Lord saith; Arise, contend thou before the mountains, and let the hills hear thy voice. |
| 2 | Mihainoa ny adin’ i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan’ ny tany; Fa Jehovah manana ady amin’ ny olony, Eny, amin’ ny Isiraely no ifandaharany. | Hear ye, O mountains, the Lord’s controversy, and ye strong foundations of the earth: for the Lord hath a controversy with his people, and he will plead with Israel. |
| 3 | Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho. | O my people, what have I done unto thee? and wherein have I wearied thee? testify against me. |
| 4 | Fa nentiko niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin’ ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama. | For I brought thee up out of the land of Egypt, and redeemed thee out of the house of servants; and I sent before thee Moses, Aaron, and Miriam. |
| 5 | Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon’ i Balaka, mpanjakan’ i Moaba, Sy izay navalin’ i Balama, zanak’ i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon’ i Jehovah. | O my people, remember now what Balak king of Moab consulted, and what Balaam the son of Beor answered him from Shittim unto Gilgal; that ye may know the righteousness of the Lord. |
| 6 | Inona no ho entiko manatona an’ i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho? | Wherewith shall I come before the Lord, and bow myself before the high God? shall I come before him with burnt offerings, with calves of a year old? |
| 7 | Ho sitrak’ i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ ny fanahiko? | Will the Lord be pleased with thousands of rams, or with ten thousands of rivers of oil? shall I give my firstborn for my transgression, the fruit of my body for the sin of my soul? |
| 8 | Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain’ i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ ny fanetren-tena | He hath shewed thee, O man, what is good; and what doth the Lord require of thee, but to do justly, and to love mercy, and to walk humbly with thy God? |
| 9 | Manaitra ny tanàna ny feon’ i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy. | The Lord’s voice crieth unto the city, and the man of wisdom shall see thy name: hear ye the rod, and who hath appointed it. |
| 10 | Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon’ ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona? | Are there yet the treasures of wickedness in the house of the wicked, and the scant measure that is abominable? |
| 11 | Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga Sy kitapo misy vato tsy marina? | Shall I count them pure with the wicked balances, and with the bag of deceitful weights? |
| 12 | Fa feno loza ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany. | For the rich men thereof are full of violence, and the inhabitants thereof have spoken lies, and their tongue is deceitful in their mouth. |
| 13 | Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin’ ny fandringanako anao noho ny helokao. | Therefore also will I make thee sick in smiting thee, in making thee desolate because of thy sins. |
| 14 | Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin’ ny sabatra. | Thou shalt eat, but not be satisfied; and thy casting down shall be in the midst of thee; and thou shalt take hold, but shalt not deliver; and that which thou deliverest will I give up to the sword. |
| 15 | Hiantso hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay; | Thou shalt sow, but thou shalt not reap; thou shalt tread the olives, but thou shalt not anoint thee with oil; and sweet wine, but shalt not drink wine. |
| 16 | Fa fatra-pitandrina ny lalàn’ i Omry Sy ny asan’ ny taranak’ i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan’ ny oloko ianareo. | For the statutes of Omri are kept, and all the works of the house of Ahab, and ye walk in their counsels; that I should make thee a desolation, and the inhabitants thereof an hissing: therefore ye shall bear the reproach of my people. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL