마가복음 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 28절
- 1 Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,
- 2 ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan’ ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy.
- 3 Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin’ ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain’ efa-dahy.
- 4 Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon’ ny trano nitoeran’ i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian’ ilay nararin’ ny paralysisa.
- 5 Ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ ireo, dia nanao tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.
- 6 Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe:
- 7 Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra?
- 8 Ary niaraka tamin’ izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
- 9 Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana?
- 10 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa):
- 11 Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
- 12 Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin’ izay ary niala teo anatrehan’ ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
- 13 Ary lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy.
- 14 Ary nony nandalo Izy, dia nahita an’ i Levy, zanak’ i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
- 15 Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin’ i Jesosy mbamin’ ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy.
- 16 Ary ny mpanora-dalàna, izay isan’ ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin’ ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin’ ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy!
- 17 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota
- 18 Ary ny mpianatr’ i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin’ izany; dia avy izy ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr’ i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
- 19 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Mahay mifady va ny havan’ ny mpampakatra raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra dia tsy mahay mifady izy.
- 20 Fa ho avy andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin’ izany andro izany hifady izy.
- 21 Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voalòna amin’ ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina dia handrompitra ny tonta, ka hitatra ny triatra.
- 22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao.
- 23 Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin’ ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana.
- 24 Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin’ ny Sabata?
- 25 Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’ i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin’ izay nanaraka azy,
- 26 fa niditra tao an-tranon’ Andriamanitra tamin’ ny andron’ i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?
- 27 Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an’ ny Sabata.
- 28 ka dia Tompon’ ny Sabata aza ny Zanak’ olona.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗