마가복음 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 45절
- 1 Ny niandohan’ ny filazantsaran’ i Jesosy Kristy, Zanak’ Andriamanitra.
- 2 Araka izay voasoratra ao amin’ Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao;
- 3 Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany,
- 4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka.
- 5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin’ ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
- 6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin’ ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
- 7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
- 8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna.
- 9 Ary tamin’ izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon’ i Jaona batisa tao Jordana.
- 10 Ary raha vao niakatra avy teo amin’ ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
- 11 Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.
- 12 Ary niaraka tamin’ izay dia nampandehanin’ ny Fanahy ho any an-efitra Izy.
- 13 Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain’ i Satana fanahy; ary teo amin’ ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.
- 14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’ Andriamanitra
- 15 ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
- 16 Ary nony nandalo teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Izy, dia nahita an’ i Simona sy Andrea, rahalahin’ i Simona, nanarato teo amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.
- 17 Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
- 18 Dia nandao ny harato niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.
- 19 Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an’ i Jakoba, zanak’ i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony.
- 20 Dia niantso azy niaraka tamin’ izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an’ i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin’ ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an’ i Jesosy.
- 21 Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin’ ny Sabata, dia niditra tao amin’ ny synagoga niaraka tamin’ izay Jesosy ka nampianatra.
- 22 Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.
- 23 Ary niaraka tamin’ izay dia nisy olona teo amin’ ny synagogany, izay azon’ ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy
- 24 ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao.
- 25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangìna ianao ka mivoaha aminy.
- 26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan’ ilay marary, dia niantso tamin’ ny feo mahery ka niala taminy.
- 27 Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.
- 28 Ary ny lazany dia niely niaraka tamin’ izay teny tontolo eny tamin’ ny tany rehetra eran’ i Galilia.
- 29 Ary niaraka tamin’ izay, raha nivoaka avy tao amin’ ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon’ i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.
- 30 Ary ny rafozam-bavin’ i Simona nandry teo nanavin’ ny tazo; ary niaraka tamin’ izay dia nilaza azy taminy izy ireo.
- 31 Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.
- 32 Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
- 33 Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan’ ny varavarana avokoa.
- 34 Ary nahasitrana olona maro izay nararin’ ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.
- 35 Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.
- 36 Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.
- 37 Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.
- 38 Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin’ ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.
- 39 Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin’ ny synagogan’ ny olona eran’ i Galilia sady namoaka ny demonia.
- 40 Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
- 41 Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.
- 42 Ary niaraka tamin’ izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.
- 43 Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin’ izay
- 44 ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’ iza na amin’ iza; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo.
- 45 Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin’ ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗