마가복음 16장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 20절
- 1 Ary rehefa afaka ny andro Sabata, dia lasa nividy zava-manitra Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba, mba handeha hanosotra ny fatin’ i Jesosy.
- 2 Ary nony maraina koa tamin’ ny voalohan’ andro amin’ ny herinandro, rehefa niposaka ny masoandro, dia nankany amin’ ny fasana izy ireo.
- 3 Ary niresaka hoe izy: Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin’ ny varavaram-pasana hisolo antsika?
- 4 Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato.
- 5 Ary raha niditra tao anatin’ ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin’ ny ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia talanjona izy.
- 6 Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an’ i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy.
- 7 Fa mandehana, lazao amin’ ny mpianany sy Petera fa mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.
- 8 Dia nivoaka izy ka lasa nandositra niala tamin’ ny fasana, fa tora-kovitra sady talanjona izy; ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin’ olona izy, satria natahotra.
- 9 [Ary rehefa nitsangana tamin’ ny marain’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin’ i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy.
- 10 Ary Maria nandeha ka nilaza tamin’ ireo efa nomba an’ i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany.
- 11 Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dravehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany.
- 12 Ary taorian’ izany Jesosy dia niseho tamin’ ny endrika hafa tamin’ ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha.
- 13 Ary izy ireo nandeha ka nilaza tamin’ ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa.
- 14 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin’ ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy.
- 15 Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’ izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra.
- 16 Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.
- 17 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ ny anarako izy; hiteny amin’ ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;
- 18 handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ ny marary izy, dia ho sitrana ireny.
- 19 Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo ankavanan’ Andriamanitra.
- 20 Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ ny famantarana izay nomba azy. Amena.]
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗