마가복음 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 47절
- 1 Ary niaraka tamin’ izay raha vao maraina ny andro, ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an’ i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin’ i Pilato.
- 2 Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Voalazanao.
- 3 Ary ny lohan’ ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro.
- 4 Ary Pilato dia nanontany Azy indray hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? He! izao hamaroan’ ny zavatra iampangany Anao izao!
- 5 Fa Jesosy tsy namaly intsony, na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga Pilato.
- 6 Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay angatahin’ ny vahoaka.
- 7 Ary nisy anankiray ilay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin’ ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin’ ny fikomiana.
- 8 Ary ny vahoaka niakatra ka nangataka azy hanao araka izay fanaony aminy.
- 9 Fa Pilato namaly azy ka nanao hoe: Tianareo va mba ny Mpanjakan’ ny Jiosy no halefako ho anareo?
- 10 Fa fantany fa fialonana no nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona Azy.
- 11 Fa ny lohan’ ny mpisorona nanome fo ny vahoaka, fa aleo Barabasy no halefan’ i Pilato ho azy.
- 12 Ary Pilato namaly ka nanao taminy indray hoe: Ka inona ary no hataoko amin’ ilay ataonareo hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy?
- 13 Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!
- 14 Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!
- 15 Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin’ ny vahoaka, ka dia nandefa an’ i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.
- 16 Ary ny miaramila nitondra an’ i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova, sady nanangona ny miaramila namany rehetra.
- 17 Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany.
- 18 Ary dia niarahaba Azy hoe izy: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy!
- 19 Ary dia nikapoka ny lohany tamin’ ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany.
- 20 Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin’ ny hazo fijaliana Izy.
- 21 Ary Simona Kyreniana (rain’ i Aleksandro sy Rofosy) izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian’ i Jesosy.
- 22 Ary Jesosy dia nentiny teo amin’ ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha.
- 23 Dia notolorany divay miharo miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy.
- 24 Ary rehefa voahombony tamin’ ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy.
- 25 Ary tamin’ ny ora fahatelo no nanomboany tamin’ ny hazo fijaliana.
- 26 Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN’ NY JIOSY.
- 27 Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany.
- 28
- 29 Ary izay nandalo niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin’ ny hateloana,
- 30 vonjeo ny tenanao, ka midìna hiala amin’ ny hazo fijaliana.
- 31 Ary toy izany koa no faneson’ ny lohan’ ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena.
- 32 Aoka Kristy, Mpanjakan’ ny Isiraely, hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin’ ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa.
- 33 Ary nony tamin’ ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin’ ny ora fahasivy izany.
- 34 Ary tamin’ ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! izay hoe, raha adika: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no mahafoy Ahy Hianao?.
- 35 Ary ny sasany izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Indro, miantso an’ i Elia Izy.
- 36 Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin’ ny vinaingitra, ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy, fa hoy izy: Aoka ho hizahantsika, na ho avy hampidina Azy Elia, na tsia.
- 37 Ary Jesosy niantso tamin’ ny feo mahery, dia afaka ny ainy.
- 38 Ary ny efitra lamba tao amin’ ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany.
- 39 Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toy izany ny ainy, dia nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io.
- 40 Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan’ ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba kely sy Josesy,
- 41 izay nanaraka Azy ka nanompo Azy, fony Izy tany Galilia, mbamin’ ny vehivavy maro koa izay niaraka taminy niakatra tany Jerosalema.
- 42 Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan’ ny Sabata),
- 43 dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan’ ny Synedriona sady niandry ny fanjakan’ Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin’ i Pilato izy ka nangataka ny fatin’ i Jesosy.
- 44 Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia.
- 45 Ary rehefa nahare tamin’ ny kapiteny izy, dia nomeny an’ i Josefa ny faty.
- 46 Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin’ i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin’ ny fasana, izay nolavahana tamin’ ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy.
- 47 Ary Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗