누가복음 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 누가복음 (Luke) · 80절
- 1 Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin’ ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa,
- 2 araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin’ ny voalohany:
- 3 dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,
- 4 mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
- 5 Tamin’ ny andron’ i Heroda, mpanjakan’ i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan’ ny antokon’ i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin’ ny taranak’ i Arona, Elizabeta no anarany.
- 6 Ary samy marina teo anatrehan’ Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ ny Tompo.
- 7 Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
- 8 Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan’ Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan’ ny antokony,
- 9 araka ny fanao amin’ ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin’ ny tempolin’ ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.
- 10 Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin’ ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.
- 11 Ary nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy teo ankavanan’ ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
- 12 Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
- 13 Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
- 14 Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin’ ny hahaterahany.
- 15 Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masìna hatrany an-kibon-dreniny aza.
- 16 Ary maro amin’ ny Zanak’ isiraely no hampodiny amin’ i Jehovah Andriamaniny.
- 17 Ary izy handeha eo alohany amin’ ny fanahy sy ny herin’ i Elia mba hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ ny fahendren’ ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ ny Tempo.
- 18 Ary hoy Zakaria tamin’ ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko.
- 19 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.
- 20 Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’ ny andro hisehoan’ izany zavatra izany, ho valin’ ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin’ ny fotoany.
- 21 Ary ny olona dia niandry an’ i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin’ ny tempoly.
- 22 Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin’ ny tempoly izy; ary izy nanao baikon’ ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.
- 23 Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
- 24 Ary taorian’ izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:
- 25 Izao no nataon’ ny Tompo tamiko tamin’ ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin’ ny olona.
- 26 Ary tamin’ ny fahenim-bolana dia nirahin’ Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
- 27 ho any amin’ ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin’ ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin’ ny taranak’ i Davida; ary ny anaran’ ny virijina dia Maria.
- 28 Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.
- 29 Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’ izany fiarahabana izany.
- 30 Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’ Andriamanitra ianao.
- 31 Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
- 32 Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’ i Davida rainy;
- 33 ary hanjaka amin’ ny taranak’ i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
- 34 Ary hoy Maria tamin’ ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
- 35 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masìna ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masìna Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’ Andriamanitra.
- 36 Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.
- 37 Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra.
- 38 Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin’ ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.
- 39 Ary Maria niainga tamin’ izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin’ ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda;
- 40 ary niditra tao an-tranon’ i Zakaria izy ka niarahaba an’ i Elizabeta.
- 41 Ary rehefa ren’ i Elizabeta ny fiarahaban’ i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masìna Elizabeta,
- 42 dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.
- 43 Avy aiza no ahatongavan’ izao amiko, no mba vangian’ ny renin’ ny Tompoko aho?
- 44 Fa, indro, raha vao ren’ ny sofiko ny feon’ ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.
- 45 Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ ny Tompo taminao.
- 46 Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,
- 47 Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’ Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
- 48 Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin’ ny ankehitriny dia hataon’ ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
- 49 Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masìna ny anarany.
- 50 Ary ny famindram-pony dia amin’ izay matahotra Azy hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
- 51 Nanao asa lehibe tamin’ ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin’ ny fiheveran’ ny fony Izy.
- 52 Nampiala ny lehibe tamin’ ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.
- 53 Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.
- 54 Niahy an’ isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony
- 55 (Araka ny voalazany tamin’ ny razantsika), tamin’ i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
- 56 Ary Maria nitoetra teo amin’ i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.
- 57 Ary tonga ny andro hahaveloman’ i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.
- 58 Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin’ ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.
- 59 Ary tamin’ ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.
- 60 Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
- 61 Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin’ ny havanao izay manana izany anarana izany.
- 62 Ary nanao baikon’ ny moana tamin’ ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.
- 63 Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
- 64 Ary dia nisokatra niaraka tamin’ izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an’ Andriamanitra.
- 65 Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin’ ny tany havoan’ i Jodia rehetra ny lazan’ izany rehetra izany.
- 66 Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan’ ny Tompo nomba azy.
- 67 Ary dia feno ny Fanahy Masìna Zakaria rainy ka naminany hoe:
- 68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
- 69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin’ ny taranak’ i Davida mpanompony Izy
- 70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masìna hatramin’ ny fahagola),
- 71 Dia famonjena antsika amin’ ny fahavalontsika, sy amin’ ny tànan’ izay rehetra mankahala antsika;
- 72 Manefa famindram-po amin’ ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masìna,
- 73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin’ i Abrahama razantsika,
- 74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin’ ny fahavalontsika isika,
- 75 Amin’ ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ ny andro rehetra hiainantsika.
- 76 Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan’ ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.
- 77 Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ ny famelana ny helony,
- 78 Noho ny halehiben’ ny famindram-pon’ Andriamanitsika, izay hiposahan’ ny mazava avy any amin’ ny avo ho antsika.
- 79 Hamirapiratra amin’ izay mipetraka ao amin’ ny maizina sy ao amin’ ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin’ ny lalam-piadanana.
- 80 Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan’ ny andro nisehoany tamin’ ny Isiraely.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗