마가복음 15장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 47절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary niaraka tamin’ izay raha vao maraina ny andro, ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an’ i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin’ i Pilato. | And straightway in the morning the chief priests held a consultation with the elders and scribes and the whole council, and bound Jesus, and carried him away, and delivered him to Pilate. |
| 2 | Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Voalazanao. | And Pilate asked him, Art thou the King of the Jews? And he answering said unto him, Thou sayest it. |
| 3 | Ary ny lohan’ ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro. | And the chief priests accused him of many things: but he answered nothing. |
| 4 | Ary Pilato dia nanontany Azy indray hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? He! izao hamaroan’ ny zavatra iampangany Anao izao! | And Pilate asked him again, saying, Answerest thou nothing? behold how many things they witness against thee. |
| 5 | Fa Jesosy tsy namaly intsony, na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga Pilato. | But Jesus yet answered nothing; so that Pilate marvelled. |
| 6 | Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay angatahin’ ny vahoaka. | Now at that feast he released unto them one prisoner, whomsoever they desired. |
| 7 | Ary nisy anankiray ilay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin’ ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin’ ny fikomiana. | And there was one named Barabbas, which lay bound with them that had made insurrection with him, who had committed murder in the insurrection. |
| 8 | Ary ny vahoaka niakatra ka nangataka azy hanao araka izay fanaony aminy. | And the multitude crying aloud began to desire him to do as he had ever done unto them. |
| 9 | Fa Pilato namaly azy ka nanao hoe: Tianareo va mba ny Mpanjakan’ ny Jiosy no halefako ho anareo? | But Pilate answered them, saying, Will ye that I release unto you the King of the Jews? |
| 10 | Fa fantany fa fialonana no nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona Azy. | For he knew that the chief priests had delivered him for envy. |
| 11 | Fa ny lohan’ ny mpisorona nanome fo ny vahoaka, fa aleo Barabasy no halefan’ i Pilato ho azy. | But the chief priests moved the people, that he should rather release Barabbas unto them. |
| 12 | Ary Pilato namaly ka nanao taminy indray hoe: Ka inona ary no hataoko amin’ ilay ataonareo hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy? | And Pilate answered and said again unto them, What will ye then that I shall do unto him whom ye call the King of the Jews? |
| 13 | Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! | And they cried out again, Crucify him. |
| 14 | Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! | Then Pilate said unto them, Why, what evil hath he done? And they cried out the more exceedingly, Crucify him. |
| 15 | Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin’ ny vahoaka, ka dia nandefa an’ i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana. | And so Pilate, willing to content the people, released Barabbas unto them, and delivered Jesus, when he had scourged him, to be crucified. |
| 16 | Ary ny miaramila nitondra an’ i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova, sady nanangona ny miaramila namany rehetra. | And the soldiers led him away into the hall, called Pretorium; and they call together the whole band. |
| 17 | Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany. | And they clothed him with purple, and platted a crown of thorns, and put it about his head, |
| 18 | Ary dia niarahaba Azy hoe izy: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy! | And began to salute him, Hail, King of the Jews! |
| 19 | Ary dia nikapoka ny lohany tamin’ ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany. | And they smote him on the head with a reed, and did spit upon him, and bowing their knees worshipped him. |
| 20 | Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin’ ny hazo fijaliana Izy. | And when they had mocked him, they took off the purple from him, and put his own clothes on him, and led him out to crucify him. |
| 21 | Ary Simona Kyreniana (rain’ i Aleksandro sy Rofosy) izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian’ i Jesosy. | And they compel one Simon a Cyrenian, who passed by, coming out of the country, the father of Alexander and Rufus, to bear his cross. |
| 22 | Ary Jesosy dia nentiny teo amin’ ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha. | And they bring him unto the place Golgotha, which is, being interpreted, The place of a skull. |
| 23 | Dia notolorany divay miharo miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy. | And they gave him to drink wine mingled with myrrh: but he received it not. |
| 24 | Ary rehefa voahombony tamin’ ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy. | And when they had crucified him, they parted his garments, casting lots upon them, what every man should take. |
| 25 | Ary tamin’ ny ora fahatelo no nanomboany tamin’ ny hazo fijaliana. | And it was the third hour, and they crucified him. |
| 26 | Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN’ NY JIOSY. | And the superscription of his accusation was written over, THE KING OF THE JEWS. |
| 27 | Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany. | And with him they crucify two thieves; the one on his right hand, and the other on his left. |
| 28 | | And the scripture was fulfilled, which saith, And he was numbered with the transgressors. |
| 29 | Ary izay nandalo niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin’ ny hateloana, | And they that passed by railed on him, wagging their heads, and saying, Ah, thou that destroyest the temple, and buildest it in three days, |
| 30 | vonjeo ny tenanao, ka midìna hiala amin’ ny hazo fijaliana. | Save thyself, and come down from the cross. |
| 31 | Ary toy izany koa no faneson’ ny lohan’ ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena. | Likewise also the chief priests mocking said among themselves with the scribes, He saved others; himself he cannot save. |
| 32 | Aoka Kristy, Mpanjakan’ ny Isiraely, hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin’ ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa. | Let Christ the King of Israel descend now from the cross, that we may see and believe. And they that were crucified with him reviled him. |
| 33 | Ary nony tamin’ ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin’ ny ora fahasivy izany. | And when the sixth hour was come, there was darkness over the whole land until the ninth hour. |
| 34 | Ary tamin’ ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! izay hoe, raha adika: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no mahafoy Ahy Hianao?. | And at the ninth hour Jesus cried with a loud voice, saying, Eloi, Eloi, lama sabachthani? which is, being interpreted, My God, my God, why hast thou forsaken me? |
| 35 | Ary ny sasany izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Indro, miantso an’ i Elia Izy. | And some of them that stood by, when they heard it, said, Behold, he calleth Elias. |
| 36 | Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin’ ny vinaingitra, ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy, fa hoy izy: Aoka ho hizahantsika, na ho avy hampidina Azy Elia, na tsia. | And one ran and filled a spunge full of vinegar, and put it on a reed, and gave him to drink, saying, Let alone; let us see whether Elias will come to take him down. |
| 37 | Ary Jesosy niantso tamin’ ny feo mahery, dia afaka ny ainy. | And Jesus cried with a loud voice, and gave up the ghost. |
| 38 | Ary ny efitra lamba tao amin’ ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. | And the veil of the temple was rent in twain from the top to the bottom. |
| 39 | Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toy izany ny ainy, dia nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io. | And when the centurion, which stood over against him, saw that he so cried out, and gave up the ghost, he said, Truly this man was the Son of God. |
| 40 | Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan’ ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba kely sy Josesy, | There were also women looking on afar off: among whom was Mary Magdalene, and Mary the mother of James the less and of Joses, and Salome; |
| 41 | izay nanaraka Azy ka nanompo Azy, fony Izy tany Galilia, mbamin’ ny vehivavy maro koa izay niaraka taminy niakatra tany Jerosalema. | (Who also, when he was in Galilee, followed him, and ministered unto him;) and many other women which came up with him unto Jerusalem. |
| 42 | Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan’ ny Sabata), | And now when the even was come, because it was the preparation, that is, the day before the sabbath, |
| 43 | dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan’ ny Synedriona sady niandry ny fanjakan’ Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin’ i Pilato izy ka nangataka ny fatin’ i Jesosy. | Joseph of Arimathea, an honourable counsellor, which also waited for the kingdom of God, came, and went in boldly unto Pilate, and craved the body of Jesus. |
| 44 | Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia. | And Pilate marvelled if he were already dead: and calling unto him the centurion, he asked him whether he had been any while dead. |
| 45 | Ary rehefa nahare tamin’ ny kapiteny izy, dia nomeny an’ i Josefa ny faty. | And when he knew it of the centurion, he gave the body to Joseph. |
| 46 | Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin’ i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin’ ny fasana, izay nolavahana tamin’ ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy. | And he bought fine linen, and took him down, and wrapped him in the linen, and laid him in a sepulchre which was hewn out of a rock, and rolled a stone unto the door of the sepulchre. |
| 47 | Ary Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy. | And Mary Magdalene and Mary the mother of Joses beheld where he was laid. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL