마가복음 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 52절
- 1 Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin’ ny sisin-tanin’ i Jodia sy tany an-dafin’ i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.
- 2 Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?
- 3 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian’ i Mosesy anareo?
- 4 Ary hoy izy: Navelan’ i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady.
- 5 Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;
- 6 fa hatramin’ ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona.
- 7 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny;
- 8 ary ho nofo iray izy roroa; ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.
- 9 Koa izay nakamban’ Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’ olona.
- 10 Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’ izany koa ny mpianatra.
- 11 Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny.
- 12 Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.
- 13 Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
- 14 Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.
- 15 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
- 16 Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy.
- 17 Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
- 18 Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
- 19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao.
- 20 Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
- 21 Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
- 22 Dia nanjombona terỳ ny tarehiny tamin’ izany teny izany, ka niala tamin’ alahelo izy, satria nanana harena be.
- 23 Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin’ ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
- 24 Ary ny mpianatra dia gaga tamin’ ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny matoky ny harena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
- 25 Moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
- 26 Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy hoe: Iza indray no azo hovonjena?.
- 27 Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin’ ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin’ Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’ Andriamanitra.
- 28 Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.
- 29 Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,
- 30 ka tsy handray zato heny amin’ izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ ny fanenjehana-ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
- 31 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
- 32 Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin’ ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
- 33 ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’ olona hatolotra ho amin’ ireo lohan’ ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ ny jentilisa;
- 34 ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
- 35 Ary Jakoba sy Jaona, zanak’ i Zebedio, nanatona an’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.
- 36 Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?
- 37 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ ny an-kavianao, any amin’ ny voninahitrao.
- 38 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ ny batisa izay anaovana Ahy batisa?
- 39 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;
- 40 fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena.
- 41 Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’ i Jakoba sy Jaona izy.
- 42 Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.
- 43 Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.
- 44 Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’ izy rehetra.
- 45 Fa ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
- 46 Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak’ i Timeo.
- 47 Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko!
- 48 Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
- 49 Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.
- 50 Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’ i Jesosy.
- 51 Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.
- 52 Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’ izay ny masony, ka nanaraka an’ i Jesosy teny an-dalana izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗