마가복음 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 33절
- 1 Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin’ ny mpianany Jesosy
- 2 ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin’ izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’ olona; vahao izy, ka ento etỳ.
- 3 Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy; dia havelany ho entina etỳ indray miaraka amin’ izay izy.
- 4 Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan’ ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy.
- 5 Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky?
- 6 Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain’ i Jesosy taminy, dia navelan’ ny olona handeha izy.
- 7 Ary nentiny teo amin’ i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy.
- 8 Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha.
- 9 Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah!
- 10 Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an’ i Davida raintsika! Hosana any amin’ ny avo indrindra.
- 11 Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan’ ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin’ izay, dia niala Izy mbamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy ka nankany Betania.
- 12 Ary nony ampitson’ iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy.
- 13 Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erỳ lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan’ ny aviavy.
- 14 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany.
- 15 Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan’ ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ ny mpivarotra ny voromailala;
- 16 ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan’ ny tempoly.
- 17 Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra?; fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy.
- 18 Ary nahare izany ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany.
- 19 Ary isan-kariva dia niala tao an-tanàna Izy.
- 20 Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ ny fakany ilay aviavy.
- 21 Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao.
- 22 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an’ Andriamanitra.
- 23 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin’ ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.
- 24 Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin’ ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.
- 25 Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
- 26
- 27 Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
- 28 ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao?
- 29 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hanontany anareo zavatra iray loha kosa Aho, ka valio Aho; ary dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao:
- 30 Ny batisan’ i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona? Valio Aho.
- 31 Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?
- 32 Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, natahotra ny olona izy, satria neken’ ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.
- 33 Dia namaly an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗