마가복음 9장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 마가복음 (Mark) · 50절
- 1 Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’ Andriamanitra tonga amin’ ny hery.
- 2 Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’ i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy,
- 3 ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin’ ny tany mahafotsy toy izany.
- 4 Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin’ i Jesosy.
- 5 Ary niteny Petera ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia.
- 6 Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra.
- 7 Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.
- 8 Ary niaraka tamin’ izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.
- 9 Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin’ olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan’ ny Zanak’ olona amin’ ny maty.
- 10 Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny amin’ izay hevitr’ izany fitsanganana amin’ ny maty izany.
- 11 Dia nanontany an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain’ ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.
- 12 Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin’ ny Zanak’ olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona?
- 13 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon’ ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy.
- 14 Ary nony tonga teo amin’ ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
- 15 Ary niaraka tamin’ izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy.
- 16 Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ ireto?
- 17 Ary ny anankiray tamin’ ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;
- 18 ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin’ ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy.
- 19 Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento etỳ amiko izy.
- 20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an’ i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’ izay ny fanahy. Dia lavo tamin’ ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory.
- 21 Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan’ izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.
- 22 Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.
- 23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ ny mino.
- 24 Ary niaraka tamin’ izay dia niantso ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin’ ny tsi-finoako.
- 25 Ary nony hitan’ i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.
- 26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon’ ny maro hoe: Maty.
- 27 Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy.
- 28 Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay tsy nahavoaka azy.
- 29 Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’ inona na amin’ inona, afa-tsy amin’ ny fivavahana ihany.
- 30 Dia niala teo izy ka nizotra namaky an’ i Galilia, ary tsy tian’ i Jesosy ho fantatry ny olona izany.
- 31 Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak’ olona dia hatolotra eo an-tànan’ ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana.
- 32 Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany sady natahotra hanontany Azy.
- 33 Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?
- 34 Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin’ izay lehibe indrindra.
- 35 Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin’ ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin’ izy rehetra sy ho mpanompo’ izy rehetra izy.
- 36 Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin’ ny mpianany:
- 37 Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin’ ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.
- 38 Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin’ ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.
- 39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
- 40 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
- 41 Fa na iza na iza no manome anareo rano eran’ ny kapoaka hosotroinareo, satria an’ i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
- 42 Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin’ ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.
- 43 Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ ny helo, dia any amin’ ny afo tsy azo vonoina.
- 44
- 45 Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ ny helo.
- 46
- 47 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ ny helo;
- 48 any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.
- 49 Fa samy ho voasira amin’ ny afo izy rehetra.
- 50 Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗