룻기 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 룻기 (Ruth) · 22절
- 1 Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.
- 2 Dia naka folo lahy tamin’ ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo.
- 3 Dia niteny tamin’ Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin’ ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an’ i Elimeleka rahalahintsika.
- 4 Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan’ izay mipetraka eto sy eto anatrehan’ ny loholona amin’ ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.
- 5 Dia hoy Boaza: Amin’ izay andro ividiananao ny tany amin’ ny tànan’ i Naomy, dia amin’ i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran’ ny maty ao amin’ ny lovany ianao.
- 6 Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an’ ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.
- 7 Ary ny amin’ ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin’ ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin’ ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an’ ny namany; dia vavolombelona teo amin’ ny Isiraely izany.
- 8 Ary hoy ilay havana mahavotra tamin’ i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy.
- 9 Ary hoy Boaza tamin’ ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin’ ny tànan’ i Naomy izay rehetra an’ i Elimeleka sy izay rehetra an’ i Kiliona sy Malona.
- 10 Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin’ i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran’ ny maty ao amin’ ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran’ ny maty eo amin’ ny rahalahiny sy eo amin’ ny vavahadin’ ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.
- 11 Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin’ ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon’ i Jehovah tahaka an’ i Rahely sy tahaka an’ i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon’ ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;
- 12 ary ho tahaka ny taranak’ i Fareza, izay naterak’ i Tamara tamin’ i Joda, anie ny taranakao avy amin’ ny zanaka izay homen’ i Jehovah anao amin’ ity vehivavy ity.
- 13 Ary Boaza dia nampakatra an’ i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan’ anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.
- 14 Ary hoy ireo vehivavy tamin’ i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin’ ny Isiraely.
- 15 Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
- 16 Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy.
- 17 Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an’ i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain’ i Jese, rain’ i Davida.
- 18 Ary izao no taranak’ i Fareza: Fareza niteraka an’ i Hezrona;
- 19 ary Hezrona niteraka an’ i Rama; ary Rama niteraka an’ i Aminadaba;
- 20 ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;
- 21 ary Salmona niteraka an’ i Boaza; ary Boaza niteraka an’ i Obeda;
- 22 ary Obeda niteraka an’ i Jese; ary Jese niteraka an’ i Davida.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗