룻기 3장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 룻기 (Ruth) · 18절
- 1 Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?
- 2 Ary ankehitriny tsy isan’ ny havantsika va Boaza, tompon’ ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.
- 3 Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.
- 4 Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary midìra, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao.
- 5 Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko.
- 6 Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian’ ny rafozani-vavy azy.
- 7 Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin’ ny faran’ ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
- 8 Ary nony namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony.
- 9 Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao.
- 10 Dia hoy izy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin’ ny ato aoriana ianao noho ny tamin’ ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.
- 11 Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr’ izay rehetra ao an-tanànan’ ny fireneko fa vehivavy tsara ianao.
- 12 Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.
- 13 Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany atỳ mandra-pahamarain’ ny andro.
- 14 Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain’ ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr’ olona fa tatỳ am-pamoloana ravehivavy.
- 15 Dia hoy koa izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazòny izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin’ ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza.
- 16 Ary rehefa tonga tany amin’ ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy.
- 17 Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin’ ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin’ ny rafozanao-vavy.
- 18 Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan’ ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗