사무엘상 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사무엘상 (1 Samuel) · 28절
- 1 Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Elkana no anarany zanak’ i Jerohama, zanak’ i Eliho, zanak’ i Toho, zanak’ i Zofa.
- 2 Ary namporafy izy, Hana no anaran’ ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran’ ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana.
- 3 Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin’ ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak’ i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron’ i Jehovah.
- 4 Ary tamin’ ny andro namonoan’ i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra.
- 5 Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon’ i Jehovah momba.
- 6 Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan’ i Jehovah azy momba.
- 7 Ary izany no fanaon’ i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon’ i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren’ ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
- 8 Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?
- 9 Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin’ ny sezany teo anilan’ ny tolam-baravaran’ ny tempolin’ i Jehovah.
- 10 Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin’ i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany.
- 11 Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’ i Jehovah kosa izy amin’ ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
- 12 Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia nodinihin’ i Ely ny vavany.
- 13 Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon’ i Ely fa mamo izy.
- 14 Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.
- 15 Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’ i Jehovah aho.
- 16 Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben’ ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.
- 17 Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen’ Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.
- 18 Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.
- 19 Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an’ i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.
- 20 Ary tamin’ ny fahatanterahan’ ny andro dia nanan’ anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin’ i Jehovah no nangatahako azy.
- 21 Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an’ i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.
- 22 Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin’ ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin’ izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan’ i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy.
- 23 Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain’ i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.
- 24 Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin’ ny vantotr’ ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon’ i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.
- 25 Dia novonoiny ny vantotr’ ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin’ i Ely ny zaza.
- 26 Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin’ i Jehovah.
- 27 Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen’ i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.
- 28 Koa atolotro ho an’ i Jehovah kosa izy: eny, amin’ ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an’ i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin’ i Jehovah izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗