룻기 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 룻기 (Ruth) · 23절
- 1 Ary nisy havan’ ny vadin’ i Naomy avy amin’ ny fokon’ i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany.
- 2 Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin’ i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian’ izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka.
- 3 Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian’ ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin’ ny tanimbarin’ i Boaza, izay avy amin’ ny fokon’ i Elimeleka, izy.
- 4 Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin’ ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah.
- 5 Dia hoy Boaza tamin’ ny zatovony, izay nitandrina ny mpijinja: Zanak’ iza moa io zazavavy io?
- 6 Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an’ i Naomy avy tany amin’ ny tany Moaba io;
- 7 fa hoy izy: Masìna ianao aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian’ ny mpijinja eny anelanelan’ ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin’ ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano.
- 8 Dia hoy Boaza tamin’ i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan’ ny zatovovavy.
- 9 Aoka ny masonao ho amin’ ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin’ ny siny, ka misotroa amin’ izay antsakain’ ny zatovo.
- 10 Dia niondrika sy niankohoka tamin’ ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho?
- 11 Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin’ ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan’ ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin’ ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin’ ny firenena tsy mbola fantatrao.
- 12 Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ ny elany ianao.
- 13 Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin’ ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ ny zatovovavinao aza aho.
- 14 Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atỳ, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin’ ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan’ ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.
- 15 Ary raha nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian’ i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan’ ny amboara aza, ka aza maninona azy.
- 16 Ary asio latsadatsaka avy amin’ ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza raràna izy.
- 17 Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan’ ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha.
- 18 Dia nentiny izany, ka nankany an-tanàna izy, ary hitan’ ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin’ ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany.
- 19 Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin’ ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran’ ny lehilahy, izay tompon’ ny tanimbary nitsimponako androany
- 20 Dia hoy Naomy tamin’ ny vinantonivavy: Hotahin’ i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin’ ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan’ izay mahavotra antsika izy.
- 21 Ary hoy Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan’ ny zatovoko ianao mandra-pahatapitry ny fijinjana.
- 22 Ary hoy Naomy tamin’ i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin’ ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa.
- 23 Ary izy tsy nety nisaraka tamin’ ny zatovovavin’ i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin’ ny rafozani-vavy Izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗