룻기 1장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 룻기 (Ruth) · 22절
- 1 Ary tamin’ ny andro nitsaran’ ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin’ ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin’ ny zanany roa lahy;
- 2 Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran’ ny vadiny, ary ny anaran’ ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin’ ny tany Moaba izy ka nitoetra tany.
- 3 Ary maty Elimeleka, vadin’ i Naomy ka izy sy ny zanany roa lahy ihany no sisa.
- 4 Ary naka vady tamin’ ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran’ ny anankiray, ary Rota no anaran’ ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy.
- 5 Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy.
- 6 Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin’ ny tany Moaba; fa efa reny tany amin’ ny tany Moaba fa novangian’ i Jehovah ny olony ka nomeny hanina.
- 7 Dia niala tamin’ izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dalana izy hiverina any amin’ ny tanin’ ny Joda.
- 8 Ary hoy Naomy tamin’ ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin’ ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin’ i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin’ ny maty sy tamiko koa.
- 9 Homen’ i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin’ izay tranon’ ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany.
- 10 Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin’ ny firenenao.
- 11 Fa hoy Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo?
- 12 Miverena ihany ianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,
- 13 moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va ianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny tànan’ i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy.
- 14 Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany.
- 15 Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin’ ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao.
- 16 Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin’ ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
- 17 izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’ i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika.
- 18 Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy.
- 19 Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?
- 20 Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon’ ny Tsitoha amiko.
- 21 Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin’ i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?
- 22 Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy, nomba azy tamin’ izy niverina avy tany amin’ ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin’ ny niandohan’ ny taom-pijinjana ny vary hordea.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗