사사기 21장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 사사기 (Judges) · 25절
- 1 Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin’ ny Benjamita.
- 2 Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan’ Andriamanitra mandra-paharivan’ ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy
- 3 nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin’ ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin’ ny Isiraely?
- 4 Ary nony ampitson’ iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
- 5 Ary hoy ny Zanak’ Isiraely: Iza amin’ ny ferenen’ Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin’ ny fiangonana hanatona an’ i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin’ izay tsy niakatra ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.
- 6 Ary ny Zanak’ Isiraely nanenina ny amin’ i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin’ ny Isiraely ankehitriny.
- 7 Ahoana no hataontsika amin’ ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin’ i Jehovah tsy hanome vady azy amin’ ny zanakavavintsika?
- 8 Dia hoy izy: Iza amin’ ny firenen’ Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin’ ny fiangonana.
- 9 Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin’ ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.
- 10 Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin’ ny lelan-tsabatra mbamin’ ny zaza amim-behivavy.
- 11 Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo.
- 12 Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin’ ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin’ ny tany Kanana.
- 13 Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin’ ny taranak’ i Benjamina, izay tao amin’ ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.
- 14 Dia niverina tamin’ izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin’ ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.
- 15 Ary ny olona nanenina noho ny amin’ i Benjamina, satria nisy nobangain’ i Jehovah ny firenen’ Isiraely.
- 16 Dia hoy ny loholon’ ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an’ ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin’ ny Benjamita?
- 17 Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin’ ny Isiraely.
- 18 Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an’ ny Benjamita.
- 19 Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’ i Jehovah any Silo, izay avaratr’ i Betela, atsinanan’ ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon’ i Lebona.
- 20 Ary nandidy ny taranak’ i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin’ ny tanim-boaloboka,
- 21 ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin’ ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin’ ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin’ ny tanin’ ny Benjamina indray.
- 22 Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin’ ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.
- 23 Dia nanao izany ny taranak’ i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin’ ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.
- 24 Dia samy nandeha niala teo ny Zanak’ Isiraely tamin’ izany andro izany, samy ho any amin’ ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin’ ny lovany avy ny olona rehetra.
- 25 Tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely tamin’ izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗