디모데후서 4장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 디모데후서 (2 Timothy) · 22절
- 1 Eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
- 2 mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ ny fotoana, na tsy amin’ ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
- 3 Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;
- 4 ary hampiala ny sofiny amin’ ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ ny anganongano.
- 5 Fa ianao kosa mahonona tena amin’ ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
- 6 Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko.
- 7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;
- 8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’ izay rehetra tia ny fisehoany koa.
- 9 Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao;
- 10 fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.
- 11 Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin’ ny fanompoana izy.
- 12 Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy.
- 13 Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin’ i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra.
- 14 Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;
- 15 tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.
- 16 Tamin’ ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).
- 17 Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin’ ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren’ ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan’ ny liona.
- 18 Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- 19 Manaova veloma amin’ i Prisila sy Akoila mbamin’ ny ankohonan’ i Onesiforosy;
- 20 Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.
- 21 Mazotoa hankatỳ alohan’ ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin’ ny rahalahy rehetra.
- 22 Ho amin’ ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗