디모데전서 6장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 디모데전서 (1 Timothy) · 21절
- 1 Aoka izay andevo rehetra eo ambanin’ ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’ Andriamanitra sy ny fampianarana.
- 2 Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
- 3 Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an’ i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
- 4 dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin’ ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
- 5 fifandirana lalandava, fanaon’ ny olona vetaveta saina sady efa nialan’ ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
- 6 Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra omban’ ny fianinana.
- 7 Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’ izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala.
- 8 Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’ izany.
- 9 Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ ny fandringanana sy ny fahaverezana.
- 10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ ny alahelo be.
- 11 Fa ianao kosa, sy lehilahin’ Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’ Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
- 12 Miadia ny ady tsaran’ ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’ izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ ny vavolombelona maro.
- 13 Izaho mananatra anao eo anatrehan’ Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan’ i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’ i Pontio Pilato,
- 14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany;
- 15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, no haneho izany amin’ ny fotoany;
- 16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’ olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
- 17 Anaro ny mpanankarena amin’ izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika,
- 18 mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
- 19 ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ ny tenany ho amin’ ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
- 20 Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin’ ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’ izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,
- 21 izay neken’ ny sasany, ka nania tamin’ ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗