디모데전서 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 디모데전서 (1 Timothy) · 15절
- 1 Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ ny olona rehetra,
- 2 ho an’ ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.
- 3 Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
- 4 Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ ny fahalalana ny marina.
- 5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
- 6 sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin’ izao androny izao.
- 7 Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin’ ny finoana sy ny fahamarinana.
- 8 Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masìna, tsy amin’ ny fahatezerana na amin’ ny fifandirana.
- 9 Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ ny fitafiana mahamendrika mbamin’ ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy,
- 10 fa amin’ ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’ Andriamanitra.
- 11 Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.
- 12 Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.
- 13 Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.
- 14 Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.
- 15 Nefa hovonjena ihany izy amin’ ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin’ ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ ny fahononan-tena.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗