디모데전서 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 디모데전서 (1 Timothy) · 15절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ ny olona rehetra, | I exhort therefore, that, first of all, supplications, prayers, intercessions, and giving of thanks, be made for all men; |
| 2 | ho an’ ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. | For kings, and for all that are in authority; that we may lead a quiet and peaceable life in all godliness and honesty. |
| 3 | Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, | For this is good and acceptable in the sight of God our Saviour; |
| 4 | Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ ny fahalalana ny marina. | Who will have all men to be saved, and to come unto the knowledge of the truth. |
| 5 | Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’ Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, | For there is one God, and one mediator between God and men, the man Christ Jesus; |
| 6 | sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin’ izao androny izao. | Who gave himself a ransom for all, to be testified in due time. |
| 7 | Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin’ ny finoana sy ny fahamarinana. | Whereunto I am ordained a preacher, and an apostle, (I speak the truth in Christ, and lie not;) a teacher of the Gentiles in faith and verity. |
| 8 | Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masìna, tsy amin’ ny fahatezerana na amin’ ny fifandirana. | I will therefore that men pray every where, lifting up holy hands, without wrath and doubting. |
| 9 | Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ ny fitafiana mahamendrika mbamin’ ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, | In like manner also, that women adorn themselves in modest apparel, with shamefacedness and sobriety; not with broided hair, or gold, or pearls, or costly array; |
| 10 | fa amin’ ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’ Andriamanitra. | But (which becometh women professing godliness) with good works. |
| 11 | Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara. | Let the woman learn in silence with all subjection. |
| 12 | Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany. | But I suffer not a woman to teach, nor to usurp authority over the man, but to be in silence. |
| 13 | Fa Adama no natao voalohany, vao Eva. | For Adam was first formed, then Eve. |
| 14 | Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota. | And Adam was not deceived, but the woman being deceived was in the transgression. |
| 15 | Nefa hovonjena ihany izy amin’ ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin’ ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ ny fahononan-tena. | Notwithstanding she shall be saved in childbearing, if they continue in faith and charity and holiness with sobriety. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL