누가복음 24장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 누가복음 (Luke) · 53절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Fa nony maraina koa tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, dia nankany amin’ ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny. | Now upon the first day of the week, very early in the morning, they came unto the sepulchre, bringing the spices which they had prepared, and certain others with them. |
| 2 | Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin’ ny fasana. | And they found the stone rolled away from the sepulchre. |
| 3 | Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin’ i Jesosy Tompo. | And they entered in, and found not the body of the Lord Jesus. |
| 4 | Ary raha mbola very hevitra tamin’ izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra. | And it came to pass, as they were much perplexed thereabout, behold, two men stood by them in shining garments: |
| 5 | Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ ny maty no itadiavanareo ny velona? | And as they were afraid, and bowed down their faces to the earth, they said unto them, Why seek ye the living among the dead? |
| 6 | Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe: | He is not here, but is risen: remember how he spake unto you when he was yet in Galilee, |
| 7 | Ny Zanak’ olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota ka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ ny andro fahatelo. | Saying, The Son of man must be delivered into the hands of sinful men, and be crucified, and the third day rise again. |
| 8 | Dia nahatsiaro ny teniny izy. | And they remembered his words, |
| 9 | Ary niverina niala tamin’ ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy sy ny namany rehetra. | And returned from the sepulchre, and told all these things unto the eleven, and to all the rest. |
| 10 | Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin’ i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman’ ireo koa dia nilaza izany tamin’ ny Apostoly. | It was Mary Magdalene, and Joanna, and Mary the mother of James, and other women that were with them, which told these things unto the apostles. |
| 11 | Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany. | And their words seemed to them as idle tales, and they believed them not. |
| 12 | Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin’ ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo. | Then arose Peter, and ran unto the sepulchre; and stooping down, he beheld the linen clothes laid by themselves, and departed, wondering in himself at that which was come to pass. |
| 13 | Ary, indreo, nisy roa lahy tamin’ ireny nandeha tamin’ izany andro izany hankany amin’ ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema. | And, behold, two of them went that same day to a village called Emmaus, which was from Jerusalem about threescore furlongs. |
| 14 | Dia niresaka ny amin’ izay zavatra rehetra nanjo izy. | And they talked together of all these things which had happened. |
| 15 | Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy. | And it came to pass, that, while they communed together and reasoned, Jesus himself drew near, and went with them. |
| 16 | Nefa ny mason’ ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy. | But their eyes were holden that they should not know him. |
| 17 | Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy. | And he said unto them, What manner of communications are these that ye have one to another, as ye walk, and are sad? |
| 18 | Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin’ izao andro izao? | And the one of them, whose name was Cleopas, answering said unto him, Art thou only a stranger in Jerusalem, and hast not known the things which are come to pass there in these days? |
| 19 | Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin’ i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ ny asa sy ny teny teo anatrehan’ Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, | And he said unto them, What things? And they said unto him, Concerning Jesus of Nazareth, which was a prophet mighty in deed and word before God and all the people: |
| 20 | dia ny amin’ ny nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin’ ny hazo fijaliana. | And how the chief priests and our rulers delivered him to be condemned to death, and have crucified him. |
| 21 | Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr’ izay nahatongavan’ izany. | But we trusted that it had been he which should have redeemed Israel: and beside all this, to day is the third day since these things were done. |
| 22 | Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin’ ny fasana maraina koa izy, | Yea, and certain women also of our company made us astonished, which were early at the sepulchre; |
| 23 | ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy. | And when they found not his body, they came, saying, that they had also seen a vision of angels, which said that he was alive. |
| 24 | Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin’ ny fasana, ary nahita araka izay nolazain’ ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany. | And certain of them which were with us went to the sepulchre, and found it even so as the women had said: but him they saw not. |
| 25 | Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ ny mpaminany. | Then he said unto them, O fools, and slow of heart to believe all that the prophets have spoken: |
| 26 | Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ ny voninahiny? | Ought not Christ to have suffered these things, and to enter into his glory? |
| 27 | Dia nanomboka hatramin’ i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ ny Soratra Masìna rehetra. | And beginning at Moses and all the prophets, he expounded unto them in all the scriptures the things concerning himself. |
| 28 | Ary efa mby teo akaikin’ ny vohitra izay efa halehan’ izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa. | And they drew nigh unto the village, whither they went: and he made as though he would have gone further. |
| 29 | Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy. | But they constrained him, saying, Abide with us: for it is toward evening, and the day is far spent. And he went in to tarry with them. |
| 30 | Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy. | And it came to pass, as he sat at meat with them, he took bread, and blessed it, and brake, and gave to them. |
| 31 | Dia nahiratra ny mason’ ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany. | And their eyes were opened, and they knew him; and he vanished out of their sight. |
| 32 | Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masìna tamintsika? | And they said one to another, Did not our heart burn within us, while he talked with us by the way, and while he opened to us the scriptures? |
| 33 | Dia niainga tamin’ izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ ny folo lahy mbamin’ izay nomba azy tafangona teo | And they rose up the same hour, and returned to Jerusalem, and found the eleven gathered together, and them that were with them, |
| 34 | sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin’ i Simona. | Saying, The Lord is risen indeed, and hath appeared to Simon. |
| 35 | Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin’ ny namakiana ny mofo. | And they told what things were done in the way, and how he was known of them in breaking of bread. |
| 36 | Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. | And as they thus spake, Jesus himself stood in the midst of them, and saith unto them, Peace be unto you. |
| 37 | Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy. | But they were terrified and affrighted, and supposed that they had seen a spirit. |
| 38 | Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo? | And he said unto them, Why are ye troubled? and why do thoughts arise in your hearts? |
| 39 | Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao. | Behold my hands and my feet, that it is I myself: handle me, and see; for a spirit hath not flesh and bones, as ye see me have. |
| 40 | Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony. | And when he had thus spoken, he shewed them his hands and his feet. |
| 41 | Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo? | And while they yet believed not for joy, and wondered, he said unto them, Have ye here any meat? |
| 42 | Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy. | And they gave him a piece of a broiled fish, and of an honeycomb. |
| 43 | Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany. | And he took it, and did eat before them. |
| 44 | Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. | And he said unto them, These are the words which I spake unto you, while I was yet with you, that all things must be fulfilled, which were written in the law of Moses, and in the prophets, and in the psalms, concerning me. |
| 45 | Dia nanokatra ny sain’ ireo Izy hahalala ny Soratra Masìna. | Then opened he their understanding, that they might understand the scriptures, |
| 46 | Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ ny maty amin’ ny andro fahatelo; | And said unto them, Thus it is written, and thus it behoved Christ to suffer, and to rise from the dead the third day: |
| 47 | ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. | And that repentance and remission of sins should be preached in his name among all nations, beginning at Jerusalem. |
| 48 | Ary ianareo no vavolombelon’ izany. | And ye are witnesses of these things. |
| 49 | Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ ny hery avy any amin’ ny avo. | And, behold, I send the promise of my Father upon you: but tarry ye in the city of Jerusalem, until ye be endued with power from on high. |
| 50 | Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. | And he led them out as far as to Bethany, and he lifted up his hands, and blessed them. |
| 51 | Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra. | And it came to pass, while he blessed them, he was parted from them, and carried up into heaven. |
| 52 | Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra. | And they worshipped him, and returned to Jerusalem with great joy: |
| 53 | Ary teo an-kianjan’ ny tempoly isan’ andro izy nankalaza an’ Andriamanitra. | And were continually in the temple, praising and blessing God. Amen. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL