로그인

누가복음 23장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 누가복음 (Luke) · 56절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an’ i Jesosy tany amin’ i Pilato, And the whole multitude of them arose, and led him unto Pilate.
2 dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’ i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka. And they began to accuse him, saying, We found this fellow perverting the nation, and forbidding to give tribute to Cesar, saying that he himself is Christ a King.
3 Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao. And Pilate asked him, saying, Art thou the King of the Jews? And he answered him and said, Thou sayest it.
4 Dia hoy Pilato tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity. Then said Pilate to the chief priests and to the people, I find no fault in this man.
5 Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran’ i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty. And they were the more fierce, saying, He stirreth up the people, teaching throughout all Jewry, beginning from Galilee to this place.
6 Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy. When Pilate heard of Galilee, he asked whether the man were a Galilean.
7 Ary rehefa fantany fa avy tamin’ ny tany tapahin’ i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin’ i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin’ izany andro izany. And as soon as he knew that he belonged unto Herod’s jurisdiction, he sent him to Herod, who himself also was at Jerusalem at that time.
8 Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an’ i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony. And when Herod saw Jesus, he was exceeding glad: for he was desirous to see him of a long season, because he had heard many things of him; and he hoped to have seen some miracle done by him.
9 Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy. Then he questioned with him in many words; but he answered him nothing.
10 Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy. And the chief priests and scribes stood and vehemently accused him.
11 Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin’ i Pilato. And Herod with his men of war set him at nought, and mocked him, and arrayed him in a gorgeous robe, and sent him again to Pilate.
12 Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin’ izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan’ izany. And the same day Pilate and Herod were made friends together: for before they were at enmity between themselves.
13 Ary rehefa nasain’ i Pilato novorina ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka, And Pilate, when he had called together the chief priests and the rulers and the people,
14 dia hoy izy taminy: Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity amin’ izay iampanganareo Azy. Said unto them, Ye have brought this man unto me, as one that perverteth the people: and, behold, I, having examined him before you, have found no fault in this man touching those things whereof ye accuse him:
15 Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy; No, nor yet Herod: for I sent you to him; and, lo, nothing worthy of death is done unto him.
16 koa hofaizako Izy, dia halefako. I will therefore chastise him, and release him.
17 ​ (For of necessity he must release one unto them at the feast.)
18 Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay! And they cried out all at once, saying, Away with this man, and release unto us Barabbas:
19 Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona. (Who for a certain sedition made in the city, and for murder, was cast into prison.)
20 Ary satria tian’ i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy. Pilate therefore, willing to release Jesus, spake again to them.
21 Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! But they cried, saying, Crucify him, crucify him.
22 Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako. And he said unto them the third time, Why, what evil hath he done? I have found no cause of death in him: I will therefore chastise him, and let him go.
23 Fa niantso tamin’ ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an’ i Jesosy amin’ ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon’ ny olona. And they were instant with loud voices, requiring that he might be crucified. And the voices of them and of the chief priests prevailed.
24 Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny. And Pilate gave sentence that it should be as they required.
25 Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony. And he released unto them him that for sedition and murder was cast into prison, whom they had desired; but he delivered Jesus to their will.
26 Ary raha nitondra an’ i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an’ i Jesosy. And as they led him away, they laid hold upon one Simon, a Cyrenian, coming out of the country, and on him they laid the cross, that he might bear it after Jesus.
27 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy. And there followed him a great company of people, and of women, which also bewailed and lamented him.
28 Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin’ i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo. But Jesus turning unto them said, Daughters of Jerusalem, weep not for me, but weep for yourselves, and for your children.
29 Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza. For, behold, the days are coming, in the which they shall say, Blessed are the barren, and the wombs that never bare, and the paps which never gave suck.
30 Dia hilaza amin’ ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin’ ny havoana hoe: Saròny izahay. Then shall they begin to say to the mountains, Fall on us; and to the hills, Cover us.
31 Fa raha ataony amin’ ny hazo maitso izany hatao ahoana amin’ ny maina? For if they do these things in a green tree, what shall be done in the dry?
32 Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa. And there were also two other, malefactors, led with him to be put to death.
33 Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’ i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. And when they were come to the place, which is called Calvary, there they crucified him, and the malefactors, one on the right hand, and the other on the left.
34 Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany. Then said Jesus, Father, forgive them; for they know not what they do. And they parted his raiment, and cast lots.
35 Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin’ Andriamanitra, dia Ilay nofidina. And the people stood beholding. And the rulers also with them derided him, saying, He saved others; let him save himself, if he be Christ, the chosen of God.
36 Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra, And the soldiers also mocked him, coming to him, and offering him vinegar,
37 sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan’ ny Jiosy, vonjeo ny tenanao. And saying, If thou be the king of the Jews, save thyself.
38 Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’ NY JIOSY. And a superscription also was written over him in letters of Greek, and Latin, and Hebrew, THIS IS THE KING OF THE JEWS.
39 Ary ny anankiray tamin’ ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay. And one of the malefactors which were hanged railed on him, saying, If thou be Christ, save thyself and us.
40 Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an’ Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza? But the other answering rebuked him, saying, Dost not thou fear God, seeing thou art in the same condemnation?
41 Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza. And we indeed justly; for we receive the due reward of our deeds: but this man hath done nothing amiss.
42 Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ ny fanjakanao Hianao. And he said unto Jesus, Lord, remember me when thou comest into thy kingdom.
43 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. And Jesus said unto him, Verily I say unto thee, To day shalt thou be with me in paradise.
44 Ary rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ ny ora fahasivy izany, And it was about the sixth hour, and there was a darkness over all the earth until the ninth hour.
45 satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin’ ny tempoly. And the sun was darkened, and the veil of the temple was rent in the midst.
46 Ary niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy. And when Jesus had cried with a loud voice, he said, Father, into thy hands I commend my spirit: and having said thus, he gave up the ghost.
47 Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io. Now when the centurion saw what was done, he glorified God, saying, Certainly this was a righteous man.
48 Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra. And all the people that came together to that sight, beholding the things which were done, smote their breasts, and returned.
49 Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany. And all his acquaintance, and the women that followed him from Galilee, stood afar off, beholding these things.
50 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan’ ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina. And, behold, there was a man named Joseph, a counsellor; and he was a good man, and a just:
51 Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon’ ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan’ ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan’ Andriamanitra. (The same had not consented to the counsel and deed of them;) he was of Arimathea, a city of the Jews: who also himself waited for the kingdom of God.
52 Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy. This man went unto Pilate, and begged the body of Jesus.
53 Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin’ ny fasana nolavahana tamin’ ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona. And he took it down, and wrapped it in linen, and laid it in a sepulchre that was hewn in stone, wherein never man before was laid.
54 Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata. And that day was the preparation, and the sabbath drew on.
55 Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty. And the women also, which came with him from Galilee, followed after, and beheld the sepulchre, and how his body was laid.
56 Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin’ ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna. And they returned, and prepared spices and ointments; and rested the sabbath day according to the commandment.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL