누가복음 2장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 누가복음 (Luke) · 52절
- 1 Ary tamin’ izany andro izany dia nisy didy navoak’ i Aogosto Kaisara hampanoratra ny anaran’ ny vahoaka rehetra amin’ ny fanjakany.
- 2 (Izany no fanoratana voalohany natao fony Kyrenio nanapaka tany Syria.)
- 3 Dia samy nankany amin’ ny tanànany avy izy rehetra mba hosoratana.
- 4 Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan’ i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin’ ny taranak’ i Davida sy ny mpianakaviny),
- 5 mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.
- 6 Ary raha nitoetra teo Izy, dia tonga ny andro hahavelomany.
- 7 Ary niteraka ny Lahimatoany izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin’ ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.
- 8 Ary nisy mpiandry ondry tamin’ izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ ny alina.
- 9 Ary nisy anjelin’ ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitry ny Tompo nanelatrelatra manodidina azy, ka raiki-tahotra indrindra izy.
- 10 Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ ny olona rehetra;
- 11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan’ i Davida, dia Kristy Tompo.
- 12 Ary izao no ho famantarana ho anareo: ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona;
- 13 Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin’ ilay anjely teo ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe:
- 14 Voninahitra any amin’ ny avo Indrindra ho an’ Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ ny tany amin’ ny olona ankasitrahany.
- 15 Ary tamin’ izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ ny Tompo antsika.
- 16 Dia nandeha faingana izy ka nahita an’ i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona.
- 17 Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin’ izany Zaza izany.
- 18 Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin’ izay zavatra nolazain’ ny mpiandry ondry taminy.
- 19 Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony.
- 20 Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an’ Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.
- 21 Ary rehefa tapitra ny havaloana, ka hoforana ny Zaza, dia nataony hoe Jesosy ny anarany, araka ilay nataon’ ny anjely, fony tsy mbola torontoronina tao an-kibo Izy.
- 22 Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn’ i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an’ ny Tompo
- 23 araka ny voasoratra ao amin’ ny lalàn’ ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masìna ho an’ i Jehovah.
- 24 ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin’ ny lalàn’ ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa.
- 25 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masìna dia tao aminy.
- 26 Ary efa nambaran’ ny Fanahy Masìna taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin’ ny Tompo.
- 27 Ary nentin’ ny Fanahy Masìna niditra teo an-kianjan’ ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin’ ny ray aman-dreniny Jesosy zaza mba hanaovany araka ny fomban’ ny lalàna ny amin’ ny zaza,
- 28 dia nitrotro Azy izy ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe:
- 29 Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ ny fiadanana Araka ny teninao;
- 30 Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,
- 31 Izay namboarinao teo anatrehan’ ny firenena rehetra,
- 32 Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.
- 33 Dia gaga ny ray aman-dreniny noho ny teny nilazana Azy.
- 34 Ary Simeona nitso-drano azy ireo ka nanao tamin’ i Maria, renin’ ny Zaza, hoe: Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ ny Isiraely ary ho famantarana holavina
- 35 ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra ― mba haseho ny hevitry ny fo maro.
- 36 Ary nisy mpaminanivavy anankiray, dia Ana, zanakavavin’ i Fanoela, avy tamin’ ny firenen’ i Asera; efa anti-panahy tokoa izy ary efa nitoetra tamin’ ny vadiny fito taona taorian’ ny naha-virijina azy,
- 37 ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valo-polo taona; ary tsy niala teo an-kianjan’ ny tempoly izy, fa nanompo tamin’ ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman’ alina.
- 38 Ary nony niditra tamin’ izany ora izany izy, dia nisaotra an’ Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’ izay rehetra niandry ny fanavotana tao Jerosalema.
- 39 Ary rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.
- 40 Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’ Andriamanitra no tao aminy.
- 41 Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin’ ny Paska.
- 42 Ary rehefa roa ambin’ ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin’ ny andro firavoravoana.
- 43 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany;
- 44 ary satria nataony fa niaraka tamin’ ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin’ ny havany sy ny olom-pantany.
- 45 Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy.
- 46 Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan’ ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.
- 47 Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.
- 48 Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!
- 49 Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ ny Raiko Aho?
- 50 Nefa tsy azon’ ireo ny teny izay nolazainy taminy.
- 51 Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.
- 52 Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗