히브리서 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 히브리서 (Hebrews) · 13절
- 1 Ary amin’ izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin’ ny ankavanan’ ny seza fiandrianan’ ny Avo Indrindra any an-danitra,
- 2 Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny tena tabernakely, izay naorin’ ny Tompo, fa tsy olona.
- 3 Fa ny mpisoronabe rehetra dia tendrena hanatitra fanomezana sy fanatitra; ary amin’ izany dia tsy maintsy mba manan-katerina koa Izy.
- 4 Koa raha etỳ ambonin’ ny tany dia tsy mba ho mpisorona akory Izy, satria misy rahateo ireo manatitra ny fanomezana araka ny lalàna,
- 5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin’ izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’ Andriamanitra an’ i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: “Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra”.
- 6 Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ ny teny fikasana tsara lavitra.
- 7 Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an’ ny faharoa.
- 8 Fa manome tsiny ny olona Izy manao hoe: "Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin’ ny taranak’ isiraely sy ny taranak’ i Joda,
- 9 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ ny razany Tamin’ ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin’ ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
- 10 Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;
- 11 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra;
- 12 Fa hamindra fo amin’ ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany".
- 13 Amin’ ny anaovany hoe “vaovao” dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗